• Nametraka fitoriana fampiatoana sy fanafoanana ny tsy fanomezan-dalana avy amin'ny OMC Antananarivo, ireo Mpanolotsain'ny Tanana avy ao amin'ny fanoherana... • Nilaza ny handray fepetra hentitra ho an'ireo minia mandika lalana ny EMMONAT, rahampitso... • Mitohy ny ezaka amin'ny fiarovana ny ankizy, izay ataon'ny PFSCE...
♦ Tondron'ireo ololm-pirenena ho tompon'antoka voalohany amin'ny olan'ny fahatapahan-jiro sy rano lavareny ny fitondram-panjakàna... ♦ Homamiadana ho an'ny mpitondra sy ny toe-karem-pirenena ny olan'ny famatsiana herinaratra ary tokony hesorina amin'ny toerana ireo mpitantana tsy mahavita ny asany hoy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa... ♦ Tra-tehaky ny pôlisy tao Moramanga ny 3 lahy niaraka tamina taolam-paty milanja 52kg, taolam-paty izay fantatra fa amidy 5 tapitrisa ariary ny iray kilao... ♦ Manangasanga any indray ny hisian'ny fitokonana faobe ao Frantsa manoloana ny resaka teti-bolam-panjakàna any an-toreana...
♦ Tsy nahazo alalana avy amin'ny OMC ny fanatanterahana ilay hetsika "Leo delestazy sy tsy fisian'ny rano" kasain'ny mpanolontsainan'ny tanàna atao eny Ambohijatovo rahampitso alakamisy faha-25 septambra 2025... ♦ Hampiantso filan-kevi-pirenena ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra nasiônaly "SECES" nasiônaly, izay tanterahana anio alarobia 24 septambra eny Ankatso... ♦ Lasa sehatra ho an'ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra eto Madagasikara ny tambazotran-tserasera, tsy tokony ho avy amin'ny mpitondra araka izany no hiavian'ny fanafitohinana ho an'ny vahoaka hoy ny avy eo anivon'ny Antenimieram-pirenena...
• Mankasitraka ny fanehoan-kevitra an-dalambe ny Solombavam-bahoaka Roland Ratsiraka. Tsy tokony hitarika amin'ny fanimban-javatra kosa izany, hoy ity depiote voafidy tany Toamasina ity. Tsy ny Jirama no olana, hoy izy, fa ny fomba itantanan'ny mpitondra azy... • Nomelohin'ny fikambanan'ny Taxi miasa ao Antananarivo Renivohitra, ny fomba nisamborana ny filohany, Clémence Raharinirina. Miendrika herisetra ny natao ka tsy azo ekena izany, hoy ny FTAR... • Manahy ny amin'ny ho avin'ny tanora sy ny ankizy, ny mpandinika fiaraha-monina Lanto Ratsida, manoloana ny zava-misy ankehitriny. Marefo ara-tsaina sy ara-toekarena ny ankamaroan'ny Malagasy, hoy izy, ka tsy afa-mihetsika intsony manoloana izany...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco