♦ Vita ny fandikan-teny vaovao ny Baikoly Masina Katôlika. Natolotra sy nampahafantarina omaly teny Antanimena izany Baiboly vaovao izany, izay niavaka tamin'ny natonta hatramin'izay... ♦ Hanangona porofo fiampangàna an'Andriamatoa Mamy Ravatomanga ny Fanjakàna Malagasy, manoloana ny raharaha hanenjehana azy atsy Maorisy. Nanazava ny momba izay ny ministry ny fitsaràna ny sabotsy teo... ♦ Mpandraharaha teratany vahiny roa no voasambotra niaraka tamina vola 2 miliara Ariary, saika entina hanongànana sy hamonoana ny filoham-panjakàna. Naharitra ora 12 ny fisavàna, nahatrarana ireo olona sy volabe ireo...
♦ Efa nampidirina ao amin'ny teti-bolam-panjakàna lasitra 2026 (LI-2026) ny hetahetan'ny vahoakaa sy ny sehatra tsy miankina, mifanaraka amin'ny Pôlitika Ankapoben'ny Fanavaozana ny Repoblika... ♦ Hiverina amin'ny laoniny ny fampianarana amin'ireo sekolim-panjakàna manomboka amin'ny alatsinainy 10 novambra 2025 izao ary tsy maintsy ho vita ara-potoana ny fandaharam-pianarana... ♦ Ezahina hampidirina anatin'izao fivoriana ara-potoan'ny antenimiera izao ny volavolan-dalàna momba ny fisitrahana zo hahazo antontam-baovao sy vaovao eny anivon'ireo sampandraharaham-panjakàna...
♦ Niverina teny anivon'ny hôpitaly indray fotoana fohy taorian'ny nampidirana azy am-ponja tao Maorisy ilay mpandraharaha Malagasy Mamy Ravatomanga... ♦ Homena hipetrahan'ny mpianatry ny oniversite ireo Building mora etsy amin'ny Lac-Iarivo, mpianatra 700 any aho an'ny no honina amin'ireo foto-drafitr'asa ireo... ♦ Niroso tamin'ny fandatsahana orana artifisialy nanomboka omaly ary aharitra telo andro ny ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo hampiakarana ny tahan'ny haavon'ny rano ao Andekaleka... ♦ Miaina tsy fahatomombanana maro ireo toeram-pianarana any Haïti amini'izao fotoana izao...
• Nampidirina am-ponja atsy amin'ny nosy Maurice andraony maraina, Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Voalaza fa nihetsika aretim-po tao anefa izy ny tolakandro teo, ka nahiditra hopitaly indray... • Nahazo vahana ireo mpanao politika, mahatsirao ho voahilika ny avy amin'ny Génération Z, hoy izy ireo androany. Nivoaka tamin'ny fahanginany ireo tanora ireo, manoloana ny toe-draharaha misy eto amin'ny firenena... • Homena hipetrahan'ny mpianatry ny Oniversite manomboka izao, ireo “Building Mora” etsy amin'ny Lac Iarivo Ivato. Mpianatra miisa 700 any ho any no honina amin'ireo fotodrafitrasam-panjakana ireo...
• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco