♦ Tsy ara-dalàna ny firosoana amin'ny fifidianana Loholona vokatry ny tsy fahafenoan'ireo mpifidy vaventy hoy ny mpahay lalàna Clément Jaona... ♦ Tsy any Mahajanga irery fa manerana ny nosy no miakatra ny tahan'ny olona marary sy mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA hoy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Hamafisina ny fitsirihana tampoka atao amin'ireo fiara eny an-dalambe, ary hisy ny fampiasàna fitaovana manara-penitra hanaovana izany hoy ny Jeneraly Beribaky Jeannot, tale jeneralin'ny DGSR... ♦ Voatendry ho lehiben'ny governemantan'ny tetezamita ao Népal ny lehiben'ny fitsarana tampony teo aloha Sushila Karki, vehivavy voalohany hitana izany...

♦ Miantso ny hanangànana Governemanta hanarenana ny firenena ny Vondrona Pôlitika PAM, izy ireo mijoro ho mpanelanelana hisian'ny fifampiresahana eo amin'ny mpitondra sy ny mpanohitra... ♦ Manamarina ny fisian'ny trangan'aretina kitrotro amina Distrika vitsivitsy eto amin'ny nosy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Profesora Zely Arivelo Andriamanantany... ♦ Ady amin'ny fahalotoana rivotra, rano ary tany, nisitraka fitaovana fanaraha-maso sy fandrefesana ny merkiora ireo pôlisin'ny tontolo iainana... ♦ Nahemotra ho amin'ny 19 septambra ny famoahan'ny Fitsarana ara-miaramila ao RDC ho an'ny filoha telo aloha Joseph Kabila...

• Miantso ny hisian'ny diniky ny hery velona rehetra ny vondrona telo tonta PAM, hitadiavana vahaolana ho an'ny firenena... • Nambaran'ny mpamakafaka raharaham-pirenena iray fa hiteraka fiantraikany goavana amin'ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara, raha sanatria ho tapaka ny AGOA. Asa miisa 70.000, no mety ho very vokatr'izany... • Miatrika ireo krizy telo lehibe maneran-tany isika eto Madagasikara: toy ny fiovan'ny toetrandro, ny fandotoana ary ny fahapotehana haingan'ireo zava-boahary...

♦ Manao ny ady sisika mba hanohizana ny tsenambarotra AGOA i Madagasikara. Nisy ankoatra izay ny famolavolana ny paik'ady nasionaly ho fanatsarana fanondranana miainga eto Madagasikara... ♦ Tsara raha nitaha tamin'ny taona maro lasa ny voka-panadinana ho an'ny teny anivon'ny AKAMA 67Ha. Efa misokatra ho an'ny mpianatra rehetra ity sekoly ity ankehitriny... ♦ Nodoran'ny Fokonolona ny fatin'ilay lehilahy iray voalaza fa nanao sorona zazalahikely 7 taona tany Andilamena... ♦ Hanatanteraka fivoriana lehibe hamaritana ny ho tohin'ny fitantanan-draharaham-panjakàna ao Népal, anio zoma, ireo tompon'andraikitra any an-toerana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...