♦ Manofana ireo mpikambana ao amin'ny rantsana mpandray antonta-taratasy filatsahan-ko fidiana amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina ny CENI ankehitriny... ♦ Efa anatin'ny fanaraha-maso ny fikarakarana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina ny SAFIDY. Miara-miasa amin'ny fikambanan'ny mpitsara ANJA, amin'ny famolavolana torolalana hampahafantarana ny fandikan-dalàna mety hitranga ihany koa izy ireo... ♦ Manjaka ny asan-dahalo sy ny volo olona, amin'ny faritra samihafa manerana ny nosy, isan'ny itrangan'izany ny any Mananjary sy Toliara Faharoa...
♦ Hanalalaka ny fanehoan-kevitra sy hanery ny mpitondra amin'ny fomba fitantanana ny firenena ny fahazoan'ny mpanohitra ny fitantanana an'Antananarivo, hoy ny antoko Humaniste écologiste... ♦ Tokony esorina ny Tale jeneralin'ny Jirama amin'izao, fa sady tsy mahavaha olana no mbola karamaina lafo, hoy ny FIMZOMPAM. Nambaran'ity fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa ity fa vahaolana teo aloha no nambarany...
♦ Hirotsaka hofidiana ho Ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, raha ny nambarany androany... ♦ Efa tafaverina eto Madagasikara omaly alakamisy, ireo sokatra miisa 200 naondrana an-tsokosoko tany Comores... ♦ Efa miomana amin'ny fandraisana andraikitra sy ny fanaraha-maso ny aretina "Variole du singe", i Madagasikara...
♦ Miaina fahasahiranana maro ny vahoaka Malagasy amin'izao fotoana izao, hoy ny Docteur Pasitora Rakotozafy Denis, Filohan'ny FFKM. Hisy fivoriana ato ho ato hataon'ny FFKM, handinihana ny raharaham-pirenena... ♦ Tsy manana kaopia nahaterahana ny 26 %-n'ny zaza latsaky ny 5 taona eto Madagasikara. Efa misy ny ezaka hampakarana ny tahan'ny fananana kaopia, hoy ny Vovonan'ny fiarahamonim-pirenena misehatra amin'ny ankizy...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco