♦ Manokatra varavarana hiainoana ny rehetra manoloana ny krizy misy eto amin'ny firenena ny FFKM. Ny ahatongavana amin'ny fifampidinihana hoy ireo ray aman-dreny filoha-piangonana no tanjona nandritra ny fanambarana nataon'izy ireo... ♦ Diso fahavalo ny vahoaka mpanao fihetsiketsehana eny an-dalambe amin'izao fotoana izao hoy ny filoham-pirenena. Hampihato ny tetik'asa ataony eto Madagasiara ny Banky iraisam-pirenena raha mbola mitohy ny krizy politika... ♦ Nahery vaika indray ny fanaparitahan'ny zandary, polisy ary ny tafika ny hetsika nataon'ny vahoaka teto Antananarivo, omaly. Hamory vahoaka eny Antsonjobe koa ny mpomba ny fitondrana...
♦ Nitohy androany tolak'andro, rehefa nihato omaly ny hetsika ataon'ny tanora Gen Z, saika hiditra ny kianjan'Ambohijatovo sy Analakely. Mahery vaika ny fanakanana nataon'ny mpitandro ny filaminana azy ireo, tamin'ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaro... ♦ Fanindroany tato anatin'ity herinandro ity no nitafa tamin'ny vahoaka Malagasy tao anatin'ny fahitalavi-panjakàna ny filoha Rajoelina Andry. Isan'ny navoitrany tamin'izany ny filazàna fa tratry ny "cyber-attaque" i Madagasikara ankehitriny ka "robot" no entina mibaiko ireo tanoran'ny Gen Z... ♦ Manohana amin'ny alalan'ny ody-ambavafo sy rano ireo mpanao gazety eny an-kianja ireo fikdambanana samihafa...
• Efa mizotra moramora hamonjy ao afovoan-tananan'Antananarivo ireo mpanao fihetsiketsehana. Hentira ny sakana ataon'ny mpitandro ny filaminana... • Tsy handray ireo olona tokony hampidirina am-ponja, ao anatin'ny telo andro, ny Sendikan'ny Mpandraharahan'ny Fonja... • Rariny ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Filohan'ny Repoblika, satria tsy nahavaly ny filan'ny vahoaka ny vokatra avy amin'ny Governemanta, hoy ny Minisitra teo aloha misahana ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, Max Andonirina Fontaine...
• Ahiana hafampana amin'ny hetsika anio zoma ny ao Antananarivo Renivohitra. Hiverina an-kianja, rehefa niato iray andro, ireo mpanao fitakiana sy fihetsiketsehana... • Voaresaka teo amin'ny Olafitry ny Mpanao gazety sy ny mpitandro ny filaminana teny Anosy omaly, ny fisorohana mba tsy hiverenan'ny heristra an-kianja. Naharitra ora iray sy sasany ny fihaonana... • Nadefa taratasy fangatahana any amin'ny Filoha, hahafahan'ireo tanora maneho hevitra eny amin'ny Kianjan'Ambohijatovo na eny amin'ny Kianjan'ny 13 mey, ny mpanakanto...
• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco