♦ Nosokafana omaly ny 8km vita amin'ny lalam-be migodàna mankany Toamasina. Nahazo famatsiam-bola fanampiny avy amin'ny mpamatsy vola ny fanohizana ny fanamboarana hoy ny filoham-pirenena omaly... ♦ Misy ny fivoriamben'ireo fiaraha-monim-pirenena eo anivon'ny SADC, eto Antananarivo, taorian'ny fihaonana an-tampon'ity vondrona ity, ny alahady teo. Mpikamban'ny firaisamonim-pirenena maro aty atsimon'i Afrika no mandray anjara amin'izany... ♦ Efa kely amin'izao ny tahirin-drano any amin'ny farihin'ny Tsiazompaniry, hanondrahana ny lemak'Antananarivo. Tokony ho ampy hiomanana amin'ny fotoam-pambolena anefa izany, hoy ny APIPA...
• Notokanana androany ny ampahany voalohany amin'ny lalambe migodana, mampitohy an'Antananarivo sy Toamasinana, mirefy 8 kilometatra. Hihena ny fotoana hanaovana ny halaviran-dalana rehefa vita tanteraka ny fotodrafitrasa hoy ny Filoham-pirenena androany... • Tanterahana eto Antananarivo mandritra ny dimy andro ny fihaonambe na ny Forum an'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny SADC. Fihaonana mifanindran-dalana amin'ny Fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 natao teto amintsika... • Nanomboka androany ary hitohy rahampitso ny fiofanana ho an'ny mpikatroka ao amin'ny Malagasy Karaté Do na ny MAKA. Fiofanana atao eny amin'ny kianja mitafo Ankorondrano...
♦ Handresy lahatra ny Amerikana amin'ny fandaharan'asan'ny AGOA ny filoha Malagasy, izay nanomboka nandray ny fitantanana ny SADC omaly. Nanazava izay ny filoham-pirenena omaly... ♦ Tsy maintsy hitohy sy hivoatra amin'izay ny raharaha Boeing 777, taorian'ny fihaonana an-tampon'ny SADC iny-, hoy Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa... ♦ Nahazo "homologation" amin'ny ampahany ny Kianjan'i Mahamasina. Nilaza ny filohan'ny Federasiônafa efa tonga ny milina hikojakojàna ny kianjan'i Mahamasina, ka hisy ny resaka manokana hatao amin'ny CAF, ahazoantsika fankatoavana feno... ♦ Hihaona any Washington anio ny filoha amerikàna sy Okraniana momba an'i Ukraine...
♦ Natao ny faran'ny herinandro teo teny Antanimena ny Jôbily nasiônaly ho an'ny olomboatokana eto Madagasikara... ♦ I Madagasikara manomboka izao no mitantana ny SADC. Nandray ny fitantanana izany tamin'ny fomba ôfisialy ny filoha Malagasy, nandritra ny fihaonana an-tampony faha-45 tetsy amin'ny CCI Ivato, omaly... ♦ Nodimandry tampoka ny Ben'ny tanànan'i Talatan'i Volonondry. Miahiahy famonoana olona amin'izao raharaha izao ihany koa ireo Olomboafidy eo anivon'ny antoko TIM, ka hitondra ny raharaha eo amin'ny Fitsaràna... ♦ Nivory maika tamin'ny alalan'ny visio-conference ireo mpitondra firenena tandrefana, manoloana ny raharaha any Ukraine...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco