• Niditra an-tsehatra, ary niantso fitoniana manoloana ny fanoherana ny fanendrena Sefo Fokontany nitranga tao amin'ny Distrikan'i Vohipeno, ny Préfet an'i Manakara... • Miatrika ny fanadinana BEPC Katolika nanomboka androany, ny mpianatry ny Sekoly Katolika ambaratonga faharoa, avy amin'ny Diosezy 22 manerana ny nosy... • Nahitana fihenana hatrany amin'ny 20 % ny vokatra lojy mainty maso, ho an'ny Faritra Boeny...

♦ Raikitra ny fisamboran'Olom-pirenena maneho hevitra amin'ny Onjam-peo ao Vohipeno ny sabotsy teo. Resaka fanoherana fanoloana lehiben'ny Fokontany no anton'izany... ♦ Tokony atao ara-dalàna, raha tian'ny filoha handray anjara amin'ny fitantanana firenena ny zanany, hoy ny Pasteur Edouard Tsarahame... ♦ Nosokafana ny maraina teo ny fanamarihana ny fetim-pirenena. Mitaky fandavan-tena sy fitiavan-tanindrazana ny asa fampandrosoana hoy ny filoham-pirenena, nanatrika izany lanonana izany... ♦ Mahazo vahana indray ny fifindrà-monina antsokosoko avy any Frantsa mankany Royaume-Uni, maherin'ny 1.100 ireo mpifindra-monina...

♦ Nomarihina omaly ny andro maneran-tany faha-59 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nampita hafatra ny eo anivon'ny FFKM omaly, nandritra ny fanokafana ny fanamarihana ny faha-45 taona. Hafatra mifantoka amin'ny zava-misy iainana ankehitriny eto amin'ny firenena... ♦ Niova indray nanomboka ny faran'ny herinandro teo ny vidin-tsolika. Fiovaovàna toy ny efa hita nanomboka tamin'ity fiandohan'ity taona ity, ho fampiharana ny fanitsiana ny vidiny eo amin'ny tsena iraisam-pirenena... ♦ Olona 31 no namoy ny ainy, any Rafah, avaratr'i Gaza, omaly Alahady, nisy tifitra tampoka niantefa tamina olona an'arivony...

♦ Loha-laharana amin'ny lentan'ny fanabeazana eto Madagasikara ny mpianatra mivoaka amin'ny sekoly katôlika ka mila tazomina izany, amin'ny fanomezana fiofanana ireo mpampianatra... ♦ Mila vola hatrany amin'ny 300 tapitrisa Dôlara ny fanatanterahana Tondro-zotra ho an'ny jono sy ny toe-karena manga eto Madagasikara... ♦ Manao antso ho an'ny Fanjakàna hametraka pôlitika fanaraha-maso ny fanajàna ny lalàna voavao mifehy ny asa ny sendikan'ny mpiasa FISEMARE. Mila hajaina sy hampiharina izay voalazan'ny fehezan-dalàna hoy izy ireo... ♦ Ady any Gaza : Tsy maintsy manaiky ny fifanarahana hampitsahatra ny ady i Israely sy Hamas...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...