♦ Praiminisitra Ntsay Christian: hiatrika ny Antenimiera mpanao lalàna, hampahafantatra ny pôlitika ankapoben'ny fanjakana, na ny PGE, anio sy amin'ny alatsinainy ho avy izao... ♦ Mijanona ho 20% ny hetra alaina amin'ny ampahan'ny karama farany ambony. Ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ihany no mametra ny fiakaran'ireo karazan-ketra misy eto amin'ny firenena, hoy ny Foibe-pitondrana ankapoben'ny hetra... ♦ Orinasa JIRAMA: misy indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny eto Antananarivo sy ny manodidina, noho ny fihenan'ny tosiky ny rano anatin'ny vanim-potoana main-tany...

♦ Efa ôfisialy fa ny 11 desambra 2024 no daty hanatanterahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina eto amintsika. Nankatoavina ny didim-panjakana fiantsoana ny mpifidy amin'izany fifidianana izany... ♦ Hiaka-dapa eny Tsimbazaa rahampitso ny Praiminisitra, hanolotra ny fandaharan'asany ho fampandrosoana ny firenena... ♦ Mbola mitohy ny fitokonana faobe ataon'ireo mpiasan'ny FOFIFA manerana ny nosy, hitakiana ny fialan'ny Tale Jeneraly. Tsy manao afa-tsy fiandrasan-draharaha izy ireo hatramin'ny androany...

♦ Andriamatoa Randriamandrato Richard, Ministry ny raharaham-bahiny teo aloha no natolotry ny fitondrana Malagasy ho kandidà amin'ny fifidianana filohan'ny Vaomieran'ny vondrona Afrikana. Isan'ny hifanandrina aminy ny lehiben'ny mpanohitra any Kenya, Raïla Odinga...  ♦ Miantso ny Bianco hanao fanadihadiana momba ny fomba fiasa sy ny fepetra noraisin'ny JIRAMA farany teo Profesora Ralison Roger. Manararao-pahefana ny mpitantana ao amin'ity orinasa ity hoy izy... ♦ Tokantrano 657.000 isa no hisitraka fanampiana amin'ilay fandaharan'asa ara-tsôsialy TSIMBINA. Ireo distrika 119, manerana ny nosy no hahazo anjara amin'izany... ♦ Andriamatoa Muhammad Yunus no voatendry hitantana ny governemanta any Bangladesh...

♦ Andriamatoa Razakamanantsoa Gaby Nestor no tale jeneralin'ny Bianco voavao, izy no handimby an'Andriamatoa Laza Erick Donnat Andrianiriana nahavita fe-potoam-piasana 5 taona tsy azo havaozina... ♦ Andro faharoa amin'ny FIER MADA ny anio. Nanomboka omaly hatramin'ny alahady izao eny amin'ny Maki Andohatapenaka ity Tsenabe iraisam-pirenena momba ny toe-karena ambanivohitra andiany faha-25 ity...  ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny tetik'asa AVOTSE. Ny hampihenana sy hanalefahana ny voka-dratsy ateraky y loza voajanahary toy ny hain-tany any amin'ny faritra atsimon'ny nosy no tanjona... ♦ Mihatra ao Koursk ny amehana amin'ny tany miady...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...