Ho raisin’ny ao ROME ny fanamarihana ny fahefa-taonan’ilay fihaonana manan-tantara tany CUBA teo amin’i Papa François sy ny Patriarka KIRILL, lehiben’ny fiangonana orthodoxe rosiana.

Nampahafantarina tamin’ny 3 janoary lasa teo ny hafatr’i Papa François momba ny fankalazana ny andro erantany ho an’ny marary, andiany faha-28, marihina isaky ny 11 febroary.

Lohalaharana amin’ireo olona lasibatry ny herisetra any amin’ny faritra afovoan’i SAHEL ny ankizy.

Nafahan'ireo mpaka an-keriny, tamin'ny sabotsy 18 janoary teo,  ny iray tamin'ireo seminarista efa-dahy nalain'izy ireo tao amin'ny seminera zokiny ao Kaduna any avaratr'i Nigéria.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...