Nanavao ny hetsika fambolen-kazo ato anatin’ny 3 taona vaovao ny Fiangonana Katolika any Pakistan. Fambolen-kazo ho tanterahina ato anelanelan’ny taona 2020 sy 2022.

Nampahafantarin'ny sampana miandraikitra ny litorjia ao Vatican, omaly 7 janoary, ny fandaharam-potoanan'i Papa François hatramin'ny volana febroary.

Feno 50 taona katroka androany 13 desambra ny nanamasinana ho pretra an'i Jorge Mario Bergoglio izay lasa Papa François ankehitriny. Fanamasinana, 4 andro mialoha ny nanamarihany ny faha-33 taonanahaterahany.

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...