21 febroary — I Masindahy Pierre Damien dia teraka tao Ravenne tamin'ny taona 1007, izy no farany indrindra amin'ireo zanaky ny ray aman-dreniny. Fianakaviana sahirana sy mahantra no nipoirany.

Teo amin'ny faha-28 taonany i Pierre Damien no niditra tao amin'ny fikamabanan'ireo Camaldules, sambana irey avy amin'ny Bénédictins izy io. Taty aoriana kely dia voatendry ho lehiben'ny Trano Foiben'io fikambanana io tao Fonte Avellana i Pierre Damien. Izy dia olona matotra ara manan-talenta amin'ny fanoratana tononkalo, maro ny asa-sorany tamin'izany. Noho io toetrany sy ny asa-sorany dia nifidy azy ho Kardinaly Eveka tao Ostie ny papa. Nandritra ny enin-taona izy dia nomena andraikitra ho "légat", nanao ny iraky ny papa nitety an'i Italie, France ary tany Allemagne tamin'ny fifandraisana tamin'ny Amperora Henri IV.

Tsy nitsahatra nanoratra izy tamin'izany andraikiny izany. Ankoatra ny boky momba ny teôlôjia dia tsy matahotra mihitsy izy ao amin'ny asa sorany mamotsipotsitra ny kolikoly sy ny toetra tsy mendrika ataon'ireo pretra. Anisan'ny nalaza tamin'ny asa sorany ary nampisavorirvory ny olona ilay hoe "Livre de Gomore" nosratany tamin'ny taona 1049. Maro ihany koa ny tononkalo nosoratany sy ny taratasy fifandraisana no voatahiry. Ny 22 febroary 1072 moa izy no nodimandry tao Faenza rehefa avy nanao ny iraka nankinina taminy. Azo lazaina fa fitoriana ny Vaovao Mahafaly mivaingana ny fiainany ny sy asa sorany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...