Ny fizaran-taona dia miatomboka amin'ny  lohataona ary miafara amin'ny ririnina, misy fizarana efatra. Samy manana ny anjara asany ny lahy sy ny vavy amin'ny fikarakarana ny vary ; ohatra fady ho an'ny vehivavy indrindra ny bevohoka ny mamoaka vary avy ao an-tsopitra na lava-bary fa midika hoe manala zaza izany. Misy fomba fandrahoam-bary telo eto madagasikara : vary ampango na vary maina, vary sosoa na sabeda, vary fao na vary mifangaro ananana na ovy na zavatra hafa. Ny vary sosoa no tena entin'ny ntaolo nifampizarana noho ny hafaliana mba ho sosoa manantena, hitohizan'ny soa sy ny tsara. Samy hafa ny ranon'ampango sy ny rano-vola, ity farany dia tsy fahita any an-trano fa eny an-tsaha...

Ny taona iray dia misy fizarana efatra teo amin'ny malagasy : lohataona, fahavaratra, fararano, ririnina. Ny lohataona dia maharitra roa volana : septambra hatramin'ny oktobra ; ny fahavaratra dia manomboka ny volana novambra hatramin'ny volana marsa. Ny vanim-potoana fararano dia manomboka ny volana aprily miefa jona eo ho eo ; aorian'izay ny ririnina hatramin'ny volana Aogositra. Ny voly vary no tena mampiavaka ny malagasy, izay maro karazana : vary vaky ambiaty, vary aloha na vary asara na jeby, vary vatomandry, dista, alikômbô... Maro ny voambolana fampiasa amin'ny mikasika ny voly vary : tranon'ondry, akoro, vakin-doha, fandravonana, miavo-ketsa, manetsa, manitatra ny vary, mpampilefa reny, mampandainga zaza...

Ôkatra-harana dia endriky ny famadihana any amin'ny faritra betsimisaraka-avaratra, izany hoe any avaratra atsinanan'ny nosy. Ny ôkatra-harana fomba hamadihana ny satan'ny maty ho razana. Ao amin'ny faritra Betsimisaraka-avaratra : rehefa maty ny olona iray dia alevina an-tany, mandritra ny 5 taona eo ho eo, aorian'izay dia miroso amin'ny hoe manôkatra harana, izay fanadiovana ny taolambalo, ary raha efa izay dia tsy averina an-davaka intsony fa hafindra toerana. Harana= taolana...

NY famadihana dia famindrana toerana ny razana iray natao anirotra na avy amin'ny fasana hafa na ihany koa avy amin'ny faritra hafa ho amin'ny fasana iray. Ny fotoana fanaovana ny famadihana dia amin'ny vanim-potoana ririnina, izany hoe eo anelanelan'ny volana jona sy septambra, ka ny famongarana dia amin'ny faharavan'ny volana ary ny fanitrihana dia amin'ny tsinam-bolana. Ny fitaovana tena ilaina rehefa manatanteraka ny famadihana dia ny tsihy sy ny lamba. Misy dinga maromaro atao amin'ny fanatanterahana famadihana : ny fanomanana, fiantsoana ambiroa, famongarana, fanitrihana...  Ireo dingana hisandratan'ny olona manomboka amin'ny fahafatesana : Maty (vatana mangatsiaka), an-dalana maha razana, aorian'ny famadihana dia lasa ho razana mitahy ary mety ho tonga amin'ny hoe zanahary.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...