Mpinamana akaiky i Luc sy i Cédric. Luc dia tovolahy tia vehivavy maro ary isan'izany i Cyntiah. Zanaka Solombavambahoaka i Anjara ary sarotiny amin'ny zanany, anefa tia fiainana tsotra io tovovavy io na dia efa mpianatry ny Oniversite aza. Nanaovan'ireo mpiara-mianatra aminy toetra ratsy i Anjara. Mpanoratra "poeta" i Anjara ary "Nofy" no solon'anarana nosafidiany, ary maro ny tononkalo efa nosoratany. Tovolahy mankafy mihira i Luc ary mitady olona hanampy azy hamoron-kira izy.... 

Ramatoakely Niavo sy Lisy dia mpirahavavy. i Nantenaina mpiara-mianatra tamin'i Lisy. Tia an'i Nantenaina i Lisy, io kosa nefa vao nahita an'i Niavo dia latsa-pitiavana taminy. Nanao vacances tany Toamasina ry zareo indray taona ka nipetraka tao amin'ny hôtely an-dry Max. Tovolahy sady taviny no volony i Max sady zanaky ny mpanana... 

Zanaka vavy tokan'i Saholy sy Tovo i Marie Ange. Vao 12 taona izy dia maty ny rainy. Herintaona taorian'ny nhafatesan'i Tovo dia nanambady an'i Bernard i Saholy. Teo am-boalohany nizotra tsara ny fiainan'izy telo mianaka, tatao aoriana kely anefa tsy naharitra ny hatsara-tarehin'i Marie Ange i Bernard ka nitsiriritra azy. Nataon'i Bernard daholo io tambitamby rehetra io fa tsy nanaiky azy mihintsy i Marie Ange. Farany, rehefa izy sy Marie Ange irery no tao an-trano ka niara-nisotro ranom-boakazo izy mianaka dia nasiany fanafody fampatoriana ta anatin'ny veran'i Marie Ange rehefa sendra nitsangana kely ity farany... 

Mpifankatia tia manao fizahan-tany i Setra sy Salohy ary tanjona manaraka ny ho an'ny Manambato, izay toerana mahasondriana anefa tsy lavitra an'Antananarivo. Mpinamana tsy mifankafoy i Onja sy Setra ary isan'ireo mpankafy fiainana sy rendrarendra. Tsy mitsahatra mifandoka ary mifampitory fitia i Setra sy Salohy, milaza samy tia ; na efa manambady aza i Setra dia tsy nahasakana an'i Salohy hitia azy io zava-misy io. 

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...