Nivoaka ny hopitaly ny rafozan-dahin'i Dera rehefa notsaboina teny nandritra ny tapa-bolana. Nahatsiaro faniriana te hijery hira gasy i Dera indray alahady tolakandro ka nilaza tamin'i Vola ny faniriany.

Niditra hopitaly ny rain'i Vola. Voan'ny aretina "mivonto antsavy". I Dera no nanolo-tena hiandry azy iny andro voalohany nidirany hopitaly iny. Tsy natory nandritra ny alina, noho ny fandinihany manokana ny zava-mitranga eny anivon'ny hopitaly sy ny tontolony.

Na dia nampiahiahy an'i Dera hiteraka fahasahiranana ao an-tokantranony aza ny namangian'ireo ray aman-dreniny azy ireo noho ny nahazoana faramandimby, dia ny mifanohitra amin'izany kosa no nitranga : noho i Vola.

Nataon'i Bary toera-pialana voly ny tokantranon'i Dera sy Vola, ka nentiny avy hatrany tsy nierany tamin'izy ireo ny namany roa lahy, miaraka amin'ny karatra filalaovana sy ny tavoahangin-toaka. Nilaozan'i Vola hamangy ireo ray aman-dreniny ireto vahiny hafahafa, izay tsy nankasitrahany mihitsy. Ny rainy rahateo, tao anatin'ny tsy fahasalamana.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...