Ny reniala na ny Baobab dia hazo manana ny lanjany ho an'ny Mikea satria manampy azy ireo amin'ny fitahirizana rano ho sotroina noho ny toe-tany main-dava any amin'ny faritra misy azy ireo. Ny mozika "BEKO" no isan'ny mampiavaka ihany koa ny Mikea izay mifamatotra amin'ny fiainany andavanandro toy ny fotoana famoran-jaza sy ny fanamadihana ary indrina amin'ny fotoana misy fahafatesana. Ny Mikea dia mandala ny lalam-pihavanana momba ray izany hoe ny raim-pianakaviana no masimandidy amin'ny fitarihana ny ankohonana. Fanamby lehibe no miandry ireo Mikea noho ny fandrosoana miitatra ka mandindona ny fonenan'izy ireo...

Ny volana "Jona" dia iray volan'ny Teny Malagasy ; ho an'ny taona 2026 dia nanomana fifaninanana ny Foibe momba ny Teny an'ny Akademia Malagasy miaraka amin'ny Akademia Malagasy, mikasika ny "fanabeazam-boho ny teny. Tsy vitsy ankehitriny ireo voambolana ampiasaintsika Malagasy andavanandro, na izy ireny voambolana amin'ny teny vahiny na teny  ampiasaina saingy tsy mbola miaty ; tanjon'ity fifaninanana ity ny mba hanabeazam-boho ny Teny Malagasy...

Ny "Mikea" dia niantsoana ilay "ala voajanahary" mbola lavitry ny tavy sy ny fitrandrahana samihafa, fa taty aoriana noho ny tosika nahazo ireo foko (Masikoro, Mahafaly) nanodidina io ala io  dia nitsofoka nitady fierena sy sakafo tao izy ireo, ireto farany no lasa nantsoina hoe "Mikea". Ny Mikea dia olona niaina tamin'ny fihazàna, fiotazana, tsy nampiasa vilany fa nahalala sy nampiasa afo. Ny toerana misy ny Mikea dia iny faritr'i Toliara II hatrany Morombe iny. Ireo Mikea dia efa mifandray amin'ny olona sy ny fandrosoana ary ankehitriny dia sady misy fampitana ny soatoavin-drazany no manovo ny fampianarana môderina izy ireo...

Ny Hainteny : Lahabolana mirindra, feno ohatrohatra enti-mampita hevitra amin'ny fomba miolaka, amin'ny ankapobeny dia ifamaliana ity karazana lahabolana ity, izany hoe misy miantso (antso) dia misy manoina (setriny). Misy ihany anefa ny hainteny tsoa-tokana, arakaraka ny votoatiny. Ny Merina no miangaly ny hainteny amin'ny maha hainteny azy, satria mety hisy karazan-dahabolana mitovitovy aminy fanaon'ny foko na faritra hafa. Amin'ny ankapobeny dia fifampiantsiana fitiavana eo amin'ny lehilahy sy vehivavy ny hainteny...

Sous-catégories

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...