Fanontaniana no mipetraka hoe : inona no atao hoe "fitiavana" aminao? hatraiza ny fetran'ny fitiavana? Nitsingerina ny taona nanaovan'i Mahenina sy i ROAZY ny mariazin'izy ireo ary nomarihana tamin'ny sakafo niaraha izany. Naharay taratasy tamin'i Mahenina manafatra azy ho tonga any amin'ny hôtely Tsaralova, nanambara io taratasy io fa hisy zavatra "surprise" ho hita ao. Niahiahy i Mahenina ary nanontany ny hevitr'i Vonjy namany, nandrisika azy ity farany hoe mandehana fa raha misy mampiahiahy dia antsoy aho hamaha olana.

Renim-pianakaviana mazoto amin'ny fampianaran-janaka i RASOA, nampirisika ny zanany hanao famerenan-desona tsara izy mba ho afaka amin'ny fanadinam-panjakana ôfisialy ireo zanany. Variana tamin'ny rendrarendra anefa i Navalona ilay zanaka vavin'i RASOA ary efa manana sipa izy io dia i Rico. Manda no sendra tao an-trano ary niangavian'ny reniny mba hanao dite ho azy hitelemany fanafody, mbola mamita zaitra mantsy i RASOA reniny... 

Ny isa FITO (7) dia isa masina satria maneho fahafenoina izay lalan-tsaina nolovantsika malagasy tamin'ny tatsinanana,. Ny isa fito dia ahitana foto-teny "ITO" izay midika hoe tapaka ary io fiheverana io no anton'ny isa fito izay fatotra atao amin'ny faty mba ho fanapahana ny fifandraisany amin'ny velona sy ho fanapahana ny loza. Ny isa fito teo amin'ny malagasy dia midika ho haja sy voninahitra ary fahombiazana. Ny fomba malagasy dia ahitana taratra io isa io avokoa... 

Mpivady i Ndretsa sy i Miora anefa nisy lozam-pifamoivoizana nahazo an'i Miora ka tsy maintsy mampiasa seza misy kodiarana izy vao afaka mifindrafindra toerana ao an-trano. Nialohan'ny loza nahazo an'i Miora sy ny mariaziny dia nianoka tao anatin'ny fiainam-pitiavana lafatra i Ndretsa sy Miora anefa niova izany taty aoriana ary ranomaso isan'andro no niainan'ity farany rehefa mahatsiaro ny teo aloha sy ny fitondrana ataon'i Ndretsa vadiny azy... 

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...