Ny fandaharana dia manana tanjona mba ha-olom-banona ny mpihaino, tsara noho izany aza dia ny hoe "olom-panona sy kristiana". Hita tamin'ireny fitsenana ny Ekipam-pirenena Barean'i Madagasikara ireny fa mbola ao amin'ny Malagasy ny firaisan-kina, fifanajàna, fihavanana, mbola azo ampiarina amin'ny lafin-javatra maro ireny soatoavina ireny. Ny finiavana sy ny fitiavana dia fototra afahana mampandroso, indrindra raha tsara ny safidy miampy ny talenta... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fanabeazana olom-pirenena dia fampahafantarana azy ny zony. Ny hoe verezin-jo dia ireo olona ampidinina amin'ny laharana ambany noho izay efa misy azy. Tsy ny mpanao pôlitika irery no mila mandray andraikitra amin'ny fampandrosoana ny firenena fa ny olom-pirenena rehetra. Ny olona manam-bola ankehitriny no maro mitantan-draharaha fa tsy ireo olona nianatra sy manana traik'efa ; ilaina hampianarina any an-tsekoly ny "pôlitika" amin'ny maha hay fitantanana ny tanàna azy... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Manana ny anjara toerany lehibe ny tantaram-pirenena, izay mamolavola sy manomana ny olom-pirenena vanona, mahalala ny toerana sy ny andraikiny ary ny adidiny eo amin'ny firenena. Zava-misy ankehitriny anefa maro ny olona no tsy mahalala ny tantaran'ny firenena. Ny olona verezin-jo, ara-toekarena, ara-pitantanana, ara-panabeazana sy amin'ny lafin-javatra samihafa dia toy ny miaina ao anaty fanandevozana amin'ny endriny vaovao... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
65 taona namerenana ny fahaleovan-tena ho an'ny Malagasy dia manalasala ihany. Raha oharina amin'ny fahaveloman'ny olona iray dia olona efa anatin'ny vanim-potoanan'ny maha ray aman-dreny, manana traik'efa sy afaka mampita soatoavina amin'ny manodidina sy ny ankohonana. Ny hoe "tanindrazana" dia tsy ilay tany ihany fa ny vohoaka eo aminy ihany koa. Fahaleovan-tena toy ny ahoana anefa no misy, ara-pifandraisana sy ara-piarovana, ara-toekarena? Ny fanatanterahana ny filan-kevitry ny ministra mitety Faritra dia taratry ny fahaiza-miaina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco