Naresaka tao an-tanàna fa i Anja no namosavy an’i Sahondra. Nandosindosiran’ny manodidina sy ny mpiray vohitra i Anja. Noheverin’ny olona ho namosavy an’i Sahondra. Heloka mahafaty ny famosaviana araka ny didin’andriana. Te hanampy an’ity zazavavy efa iriny ho andefimandry rahateo i Leva, ka niangavy mafy tamin’i raibeny mba hijoro vavolombelona fa tsy namosavy an’i Sahondra i Anja.


Nanapa-kevitra i Rivo fa hanajanona ny fifanarahana arak'asa tanterahana any ivelan'i Madagasikara, mba tsy hanaovany ambanin-javatra ireo vady aman-janany. Nahagaga an'i Haja sady naharomotra azy ny nahita an'i Ranja mianoka hasambarana eo anilan'ny vadiny, ka ny fibobohana toaka no nasetriny izany. Nilaza tsy nanontaniana tamin'i Tefy tao anaty ranomason-toaka ny zava-misy marina i Haja. Nolazainy tamin'ity zanany lahy tokana fa mpanararaotra ny vehivavy, ary hamono tena izy fa mijaly noho izany. Nitaraina tany amin'i Rivo sy Ranja i Tefy rehefa voaporofony fa tena misakaiza amin'ny vehivavy hafa ny rainy, ka niangavy azy mivady izy mba hanampy azy sy ny reniny. Nanome toky azy i Rivo fa hanao izay azony atao, na dia somary nisalasala aza i Ranja.

Mifankatia i Leva sy Anja, mahatsiaro ho latsa-danja raha milahatra amin’i Setra sy Sahondra vao avy nanamarika teo anatrehan’ny fianakaviany avy ny fifankatiavana sy ny fikasan’izy ireo hivady. Nitsiriritra izany tamin’alahelo i Anja. Fa tsy menatra ny amin’ny tsy fananany kosa i Leva raha niresadresaka momba izany izy roa. Herinandro monja taorian’ny fiantranoana dia maty i Sahondra. Tany amin’i Anja hany sakaizan’itompokovavy no niantefan’ny ahiahin’ny mpianakavy ho antony nahafaty an’i Sahondra.

May volon-tratra i Ranja fa tongan'i Mialy zanany vavy tany aminy ny fikasan'i Tefy zanak'i Haja hanara-maso an'i Haja  satria fantatry ny vadin'i Haja fa mampirafy azy i Haja. Marary noho izany ny renin'i Tefy ka nanome toky ny reniny izy fa hanao izay hahatrarana izany vehivavy hanitsakitsahan'ny dadany ny mamany izany. Mitsikilo hatrany hatrany izay zava-mitranga ao an-tokan-tranon-dry Ranja i Tiana mpanampy, ary lasa tsy vitany an-tsakany sy an-davany hatramin'ny asa ataony.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...