27 septambra 2024 — Masindahy Vincent de Paul, Pretra, Mpiaro faharoa an'i Madagasikara — Fankalazana — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 35-38)

Asehon’i Jesoa ao amin’ny Evanjely ny toetra mila volentsika hananana eo am-pitoriana ny Evanjeliny: fahavononana handeha hanatona ireo itoriana; fiahiana ny fahasalaman’izy ireo; fangorahana manoloana ny fijaliana sy ny fahantrany. Mila omanina dieny izao amin’ny fiainana mandrakizay ihany koa ireo olona anirahan’Andriamanitra antsika hitoriana ny Vaovao Mahafaly. Miresaka mahakasika ny fotoam-pijinjana ny Evanjely, izany hoe fotoana farany hitsaran’Andriamanitra antsika olombelona. Manana adidy hanomana amin’izany isika kristianina, noho ny Batemy noraisintsika.

Mila mahatsapa ihany koa anefa isika fa Andriamanitra no tompon’ny lahatra; Izy no maniraka antsika koa rariny sy hitsiny raha angatahana sy italahoana Izy, haniraka mpiasa amin’ny sahany; mila angatahana Izy hambomba ny asam-pitoriana efa natombotsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...