23 aprily — I Masindahy Georges dia teraka tao Cappadoce avy amin'ny fianakaviana kristianina. Miaramila manamboninahitra tao amin'ny tafika romana izy ary ny amperora Dioclétien no nanondrotra azy ho eo amin'ny laharana ambony indrindra tao amin'io tafika io.

Araka ny lovan-tsofina miampita, dia ny adiny tamin'ny dragona tao amin'ny tananan'i Silène tao Libye no nampalaza azy. Voalaza fa nonina tao anatin'ny farihy akaikin'io tanana io ilay dragona, efa maro ireo andian-tafika nalefa hamono azy io fa tsy nisy nahafaty. Rehefa miseho eny amoron'ny farihy io biby io dia mamono sy mamotika izay sendra azy amin'ny fofon'ainy mivaivay toy ny afo. Tsy mitony mihitsy izy raha tsy omena reniondry isan'andro ho sakafony, ary rehefa tsy misy reniondry dia zazavavy no atao sakafony ka atao an-tsapaka no nifidianana izany teo an-tanana. Tamin'ny fotoana nandalovan'i Georges tao amin'io tanana io indrindra àry no voafidy homena ilay dragona ny zanakavavin'ny mpanjaka. Soavaly fotsy no nentin'i Georges tamin'izay, nalahelo ity zazavavy izy ka vonona ny hiady amin'ilay dragona noho ny fahatokisany fa hanampy azy i Kristy. Nataony ny famantaran'ny hazofijaliana ary lasa izy nitsena ilay biby masiaka. Notrobarany ny lefona ilay biby ka maty, ary nentina notarihin'ny omby tany ivelan'ny tanana ny fatiny. Avotra ny zanakavavin'ny mpanjaka, ary maro ireo olona mpanompo sampy no nibebaka ka lasa kristianina ary nangataka ny hatao batemy.

Notoloran'ny mpanjaka volabe i Georges ho valisoan'ny nataony tamin'ny famonjena ny tanana sy ny zanany, fa nomeny ny mahantra daholo izany dia lasa izy nanohy ny diany. Fa noho ny didy navoakan'i Dioclétien ho fanenjehana ny kristianina dia nampidirina am-ponja i Georges. Tsy nampiozongozona ny finoany anefa izany ka nampijaliana izy, nampharina taminy daholo ny karazam-pampijaliana fa tsy nampihontsona azy izany. Farany, notapahan'izy ireo ny lohany. Marihana fa da tao Lydie tao Palestine tamin'ny taona 303 ity namonoana ho martiry an'i Masindahy Georges ity.

Maro ireo tanana sy antokon'olona manaja azy ho olomasina mpiaro toa an'i Georgie, Ethiopie, Bourgogne, Venise, Barcelone, Gênes, Aragon sy Catalogne ary tanana maro hafa ihany koa. Ho an'i Angleterre dia voarakitra ao amin'ny fanevam-pirenena mihitsy ny hazofijalian'i Masindahy Georges. Ary ho an'ny Grika dia antsoina hoe : "ilay Martiry Lehibe" i Masindahy Georges. Izy ihany koa no mpiaro ny skoto maneran-tany, fa eo ihany koa ireo manam-boninahitra sy zandary mitaingin-tsoavaly, ireo pretra ao amin'ny Ordre du Temple sy Ordre Teutonique. Ho an'i Russie indray dia i Masindahy Georges no nofidiana ho mari-pamantarana ao amin'ny tafika ka nitondran'izy ireo ny anarana hoe : "Ordre de Saint Georges". Maro ireo fiangonana sy trano fitokana-monina tao Syrie sy Egypte no teo ambany fiarovany hatramin'ny taonjato fahadimy. Tamin'ny taona 1222 dia nanapakevitra ny Kônsilim-paritra tao Oxford fa atao ho adro voadidy hohamasinina ny andro fankalazana an'i Masindahy Georges. Ary tamin'ny taonjato faha-15 ny arsevekan'i Cantorbéry indray no nandidy fa atao ho toy ny fankalazana ny Noely io fetin'i Masindahy Georges io. Nandritra izany fotoana izany no namoronan'ny mpanjaka Edouard III ny Chevaliers de Saint Georges. Anisan'ireo olomasina 14 antsoina hoe "Quatorze saints intercesseurs" i Masindahy Georges.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...