27 jona — Niaina tamin’ny taona 376 hatramin’ny 27 jona 444 i Cyrille. Notendrena ho patriarka handimby an’i Theophile izy ny 17 oktobra 412. Nafana fo tamin’ny ady manohitra ireo fampianaran-diso momba ny finoana izy, nakatony ny fiangonan’ireo novatiens, ary nenjehany ireo Jiosy tao an-tanana.

Ireo fanapaha-kevitra noraisiny ireo no nahatonga ny fifandonany tamin’i Oreste, préfet tao Ejipta, ary nahatonga ny tranga tamin’ny taona 415 nahafaty ilay filôzôfa Hypatie. Nezahan’i Cyrille ihany koa ny hamongotra hatramin’ny fakany ny fisian’ny fanompoana andriamanitra maro na ny paganisme tao Alexandrie. Niady tamin’ny nestorianisme ihany koa izy, ary nomelohiny io tamin’ny kônsily tao Ephèse ny taona 431. I Nestorius moa dia pretra mpitoka-monina tao Antioche izy io mpanao didy janona izay mapianatra fa olona roa ny ao amin’i Jesoa Kristy dia ny “Andriamanitra sy ny olombelona” ary nambaran’izany fampianarana izany ihany koa fa tsy renin’Andriamanitra intsony i Maria virjiny fa renin’ny olombelona na renin’i Kristy. Maro ireo kristianina katôlika izay nanohitra izany fampianarana izany ka efa hatramin’ny taona 429 i Cyrille no nanoratra manohitra an’i Nestorius. Nanoratra tany amin’ny papa Celestin sy ny amperora Theodose II koa i Cyrille mba hanazava ny loza mitatao hetin’izany fahadiasoan-kevitra izany. Vokatra izany moa dia voaheloka i Nestorius ary nesorina tsy ho isan’ny Fiangonana intsony.

Raha hiverenantsika kely ilay kônsily dia nisy ny fiantsoana ny kônsily tao Ephèse ny taona 431 ka 200 ireo eveka tonga tao. Nantsoina in-telo i Nestorius fa nandà ny hiseho. Ny 07 jona maraina dia efa maro ny kristianina no niandry teny amin’ny sisin’ny fiangonana teny hiaino ny fanapaha-kevitry ny konsily, tapaka tao àry fa notazonin’ireo Aba tao amin’ny kônsily fa renin’Andriamanitra i Masina Maria. Henemana tao aorian’io, nisy evaka 14 tamin’ny Fiangonana Tatsinanana, mpomba an’i Nestorius tonga tao Ephèse, ary nanala an’i Cyrille tsy ho isan’ny Fiangonana. Nanapa-kevitra ny amperora araka ny fanirian’ny roa tonta fa samy ahiditra am-ponja na i Cyrille na i Nestorius ; nefa rehefa tonga ny iraky ny papa Celestin dia naverina tamin’ny andraikiny i Cyrille fa i Nestorius naato. Nihavana tamin’i Cyrille avy eo ireo eveka mpomba an’i Nestorius. Nandalina fatratra ny misterin’ny fahatongavana ho nofo i Cyrille. Ny firaisan’i Kristy izay navoitrany mafy dia maneho aminy ny fomba fihevitra tsotra hoe “raha tsy Andriamanitra no mpanavotra dia tsy afaka namonjy antsika izy, noho izany i Jesoa Kristy dia Andriamanitra, raha Andriamanitra i Jesoa Kristy dia rariny isika raha mihaiky fa renin’Andriamanitra i Maria”.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...