Adidy tsy maintsy atao ny fanabeazana ny tanora ho afaka hananany fahamatorana. Misy zavatra roa mety hanimba ny fiainan'ny olona tsy ho afaka hisafidy ny tsara ary adidy ny miady amin'izany dia : ny fahantrana lalina ary ny famitahana ny tanora amin'ny fampiahantàna azy  be loatra. Ny Fanjakàna sy ny fikambanana isan-karazany no filamatra amin'ny fampivoarana ny Tanora... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Noho ny fiaraha-monina dia tsy ny tena irery no hosoavina fa tsy maintsy manasoa ny mpiara-belona amin'ny fikatsahana ny soa iombonana. Ny fandraisana anjara no fanoloran-tena tsara indrindra omen'ny tsirairay ny fiaraha-monina : tsy maintsy mandray anjara ny tsirairay araka ny toerana ananany ; amin'ny andraikitrao manokana (fikarakarana sy fanabeazana ny fianakaviana, fanatanterahana tsara ny asa)... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Taratry ny fahamendrehana ny fanajàna sy fitiavana na ny olona tsy mitovy hevitra amin'ny tena na ireo heverina ho fahavalo. Mendrika ny maneho hamoram-po amin'ny olona rehetra. Izany anefa tsy midika ho fanekena ny hevi-disony fa fitandrovana mandrakariva ny marina sy ny tsara ; tsy manala ny fahamendrehan'ny olona iray ny mety ho fahadisoan-keviny... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Manamafy ny fifandraisana ny fikatsahana ny soa iombonana. Ny soa iombonana dia fitambaran'ireo fepetra ara-tsôsialy, ahazoan'ny fikambanana sy ny mpikambana tsirairay avy manatratra moramora kokoa ny fahalavorariany tanteraka sy manasoa ny olombelona rehetra. Tsy voatery ho zavatra mivaingana azo tsapain-tanana ny soa iombonana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...