Avy amin'Andriamanitra ny aina ary antso mitaky andraikitra, fa fitahiana sy lova ihany koa. Loharanon'ny fifaliana sy ny fanantenana ny aina ka tokony horaisina, hovelomina ary harovana amin'ny toe-javatra rehetra. Ny aina dia tsy mijanona amin'ny fahaveloman'ny tena fa mitohy aminny hafa... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
Tsy kisendrasendra ny fisian'ny olombelona, ny tsirairay dia antsoin'Andriamanitra ho amin'ny fisiana. Notiavina sy nokasain'Andriamanitra hivelona ny olona, amin'ny alalan'ny aina. Ny antso ho amin'ny fisiana anefa dia tsy antso hivelona irery fa noforonina ho amin'ny fiombonana amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
Ny aina dia tsy fanomezana fotsiny fa fanomezana feno fahasoavana. Tsy noho ny fahamendrehan'ny olombelona no nahazoany aina fa noho ny hatsaram-pon'Andriamanitra. Ny hatsaran'ny aina dia tsy miankina amin'ny fahombiazana, ny fahasalamana ny hatsararan-tarehy fa amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
Andriamanitra no Mpamorona sy Loharanon'ny aina rehetra. Ny aina dia fanomezana avy amin'Andriamanitra fa tsy fananan'ny olombelona, isan'ny isehoan'ny fahasoavana sy ny hatsaran'Andriamanitra. Ny ain'olombelona dia masina, ary tsy azo sarahina amin'ny Andriamanitra izany hasiny izany... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco