Ny toetran'i Jesoa Kristy manontolo na amin'ny maha-olombelona na amin'ny maha Andriamanitra Azy dia samy manampy hahazoana ny famonjena sy ny fahasambarana daholo. Ny fotoana rehetra niainan'i Jesoa teto an-tany noho ny fahasoavan'ny vavaka dia azo raisina ho fiainantsika ankehitriny, azo isintonana voka-tsoa ara-panahy, izay tsy inona fa fahasoavan'ny "méditation". Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Maro ny fomba fanaovana "méditation" ho an'ny kristianina : misy ny tena tsotra fa misy ny somary sarotra ; ny sasany mitaky fampiasana saina sy fahalalana kokoa, ary ao ny mitaky fampiasàna ny fitadidiana, saina mandinika ary ny sitrapo. Maro no nilaza fa asan'ny fo ary famolavolana ny fo ny vavaka, ary ny fo no manambara ny olombelona manontolo amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Raha raisina amin'ny maha kristianina ny teny hoe "méditer" dia manana ny heviny manokana tsy azo vonoana. "Méditer" dia tena ilain'ny maha olona rehetra, fa manana dikany lalindalina kokoa izay teny izay raha raisina amin'ny maha kristianina. I Jesoa Kristy no lalana ary Izy no ianarana rehefa manao "méditation". Ny fandinihana dia firosoana hihaonana amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Mila kaliana sy tandremana tsara ny fanaovana ny "méditation". Mila mitandrina tsara satria betsaka loatra ny karazam-pivavahana no miresaka momba azy io ary manao fampiharana. Mazàna ny "médiation" fanaon'ny tandrefana no tena maro mpanao, faniriana hahita fiadanam-po, satria eritreretina hanangonana hery, hitondra herim-po hiatrehana ny hitakitaka tsinahy, ny ankivy... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...