Masina Maria ilay olombelona toa antsika ihany dia manana finoana, azon'ny olombelona rehetra alain-tahaka. Masina Maria dia môdeli-pinoana, ny fomba niainany dia ny finoana no mialoha ny fahagagana, izay mahatonga io tranga farany io ho tanteraka. Masina Maria dia tsy miandry fahagagana vao hino, ary izany no nampitombo finoana tsikelikely ny Apôstôly... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

I Masina Maria dia mpanalalana (médiatrice), sady mpisolovava (paraclet) miankina tanteraka amin'ny Fanahy Masina sy Jesoa Zanany. Masina Maria dia mpiara-miasa voalohany amin'Andriamanitra amin'ny famonjena ny olombelona. Masina Maria dia renin'Andriamanitra no sady mpikambana voalohany ao amin'ny Eglizy, io no mamaritra fa olombelona tanteraka i Masina Maria na niteraka ny zanak'Andriamanitra aza... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Misy hatsaram-panahy efatra ao amin'i Masina Maria : ny fanekena izay natao, nanasongadina ny finoana, fananana fanantenana, ny fitiavany miredareda mba hamerenana ny ain'Andriamanitra ao amin'ny fanahintsika olombelona. Tsy nanolotra sorona hafa akory, i Masina Maria ankoatra izay nataon'i Kristy, nanolatra ny tenany ho famonjena ny olombelona. Miankina amin'ny zanany i Masina Maria fa tsy mahaleontena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Ny zavatra rehetra nataon'i Masina Maria dia tsy nanova mihitsy ny momba azy sy ny fahatanterahan'ny famonjena satria olombelona foana izy, na renin'Andriamanitra aza, olona miaina ny finoana. Mbola misy hiraka ho an'i Masina Maria taorian'ny nahafatesan'i Jesoa, miaraka mivavaka amin'ny mpino izay miandry ny fidinan'ny Fanahy Masina ary miray fo amin'izy ireo ; Masina Maria no santa-bokatra any an-danitra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...