Ny sorona izay nataon'i Jesoa Kristy teo Kalvery sy ny sorona nataon'i Masina Maria amin'ny maha-renin'i Jesoa azy dia iray ihany, ka nijaly izy noho ny fanoheran'ny olona ny zanany. Masina Maria dia nangina sy nitahiry tao am-pony ny zavatra rehetra nolazaina taminy, ary ohatra ho antsika izy. Taorian'ny fahazazan'i Jesoa dia niaraka niasa tamin'i Zanany i Masina Maria, ohatra amin'ireny ny tranga tamin'ilay fampakaram-bady tao Kanà... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Teboka maro momba ny fifandraisan'i Masina Maria amin'i fiainam-pahazazan'i Jesoa Kristy : Midodododo i Masina Maria mamonjy ny sahirana (tamin'ny famangiana sy fanampiana an'i Elizabeta rahavaviny) ; sady miresaka amin'ireo madinika sy ny manan-kaja (ireo Majy sy ny mpiandry ondry) ; fahatongavan'i Jesoa ho nofo, tsy nikasika ny fahadiovan'i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Amin'ity taona 2025 dia feno 75 taona no nambaranan'ny Papa Pie-XII, tamin'ny fomba manetriketrika ny 1 novambra 1950, fa rehefa nahavita ny fivahinianana Masina teo an-tany i Masina Maria dia nampiakarina "vatana" sy "fanahy" any amin'ny voninahitry ny lanitra. Tsy niteny mihitsy ny Papa Pie-XII, mikasika izay mety ho fahafatesana na fitsanganan-ko velon'i Masina Maria fa nihanona tamin'ny hoe "nampiakarina" izy... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Rehefa teraka i Jesoa zazakely dia tao anaty hafaliana tokoa i Masina Maria, maneho ny zanany Mpamonjy tamin'ireo mpiandry ondry, solontenan'ireo mahantra na ireo Majy, solontenan'ireo avara-pianarana satria toy izany no fomba fidiran'ny zanak'Andriamanitra teto an-tany. Tena isan'ny toetra manimba ny fiaraha-monina ny fanilikilihana ireo mahantra, Andriamanitra anefa tsy manavaka... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco