Ny fanoharana ara-tipôlôjika dia olona na zavatra iray hita ao amin'ny Testamenta Taloha manambara olona na zavatra iray ao amin'ny Testamentra Vaovao, manana toeratra hitovizana. Ohatra ilay sambo fiara an'i Nôe, io dia efa mitovy amin'ilay tanàna masina midina avy any an-danitra, izay hiaro ny olona amin'ny fahoriana sy ny fijaliana dia ny Fiangonana izany... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Araka ny Testamenta Taloha dia hita taratra ao ny tantaram-pitiavana, ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona ; porofom-pitiavan'Andriamanitra ny fampanantenany ny fahatongavan'ny Zanany mba hamonjy ny olombelona ao anatin'ny fahotana. Masina Maria virijiny no lalana nahatanteraka ny teny tonga ho nofo.  Nisy foana ny fivadihan'ny vahoaka amin'Andriamanitra anefa misy vondron'olona iray hatrany mifikitra amin'Andriamanitra ary mampitohy ny lalam-pamonjena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Ny fisehoan'i Masina Maria dia tohin'ny sy fanampiny amin'ny tantaram-pamonjena. Miseho amin'ny endrika roa ny anjara-toeran'i Masina Maria amin'ny tantaram-pamonjena, taorian'ny nitsanganan'i Jesoa ho velona : ny fisian'ny teo anivon'ny Eglizy ary faharoa fanohizany manely ny finoana ary fizarana ny fahasoavana azo tamin'ny famonjena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Taorian'ny nitsangan'i Jesoa tamin'ny maty dia niavaka ny fisian'i Masina Maria ho an'ny Eglizy sy ny Kristiana, Izy ilay Reny Masina mitondra ny hafatr'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo fisehoana. I Masina Maria dia môdely amin'ny fahamasinana, misongadina amin'ny hatsaram-panahy, sy ny fanoloran-tena. Masina Maria dia tandindon'ny vehivavy izay tsy very anjara amin'ny fanompoana sy fitoriana ny vaovao mahafaly... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...