Ny Kristianina tsy katôlika dia tsy raisina ho toy ny mpankato na mpivoy fampianaran-diso izy ireny fa toy ny rahalahy tafasaraka. Maro amin'izy ireny ny manome toeram-boninahitra ny Soratra Masina ankatoaviny ho fitsipi-pinoana sy fitondran-tena. Maro ireo maneho zoto eo amin'ny fitiavam-bavaka ary mino am-pitiavana an'Andriamanitra Ray Mahefa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Misokatra amin'ny rehetra ny Eglizy, nefa kosa entitra. Natao ho an'ny rehetra ny famonjena fa ny maha eo ny Eglizy ho lalana sy famantaram-pamonjena ho an'ny mpino dia tsy azo ihodivirana fa tsy sanatria tsy laharam-pahamehana na tsy manan-danja. Mijoro ho vavolombelona maneho hatrany ny hatsaran'ny Eglizy, ny fahamasinany sy ny fitiavany ny Kristianina... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Ilaina hahazoana famonjena ny Eglizy ka izay mahalala izany anefa minia tsy miditra ao na tsy maharitra fa miala dia tsy ho voavonjy. Ny ratsam-batana rehetra tafasaraka amin'ny vatana dia maina ary atsipy any anaty afo dia may hoy ny Evanjelin'i Md Joany. Izy Kristy mihitsy no manizingizina tamin'ny teny mazava sy mivantana nolazainy fa tsy azo dinganina ny finoana sy ny Batemy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Ny Eglizy iraka dia ilay antsoin'ny Papa François hoe "Eglise en sortie". Ny isam-batan'olona, araka ny nandraisany fahasoavana dia tokony hitsinjara izany amin'izy samy izy, toy ny mpitantara tsy miangatra ny fahasoavana maro loha avy amin'Andrimanitra. Iraka takian'ny Batemy ny fifampizarana, indrindra tombontsoa, eo ambany fitantanan'ny Fanahy Masina... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco