Ny fihevitra diso novoizin'ny Refôrmasiôna ny hoe tamin'ny andron'ny jody tao amin'ny Testamenta Taloha, dia mpisorom-be sy ny levita no manolotra sorona sy mifona ho an'ny olona ary manao ny fanadiovana handraisan'ny olona famelan-keloka, FA ao amin'ny Eglizy nandalo fihavaozana dia ny kristianina dia mpisorona avokoa fa tsy ny mpitondra fivavahana ihany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Mihaino ny feon'Andriamanitra no maha-mpaminany ny vahoaka ; mila maka fotoana mihitsy mba hihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina anatin'ny vavaka, ny fandinihana ny Soratra Masina, ary amin'ireo zavatra mitranga eo amin'ny fiainana misy ankehitriny. Ny Batemy dia mahatonga antsika ho mpisorona, mpanjaka ary mpaminany toa an'i Kristy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Noho ny Batemy noraisina, na ny Papa na ny Eveka na ny Pretra na ny Relijiozy sy ny lahika dia vahoak'Andriamanitra, voaantso handray anjara amin'ny maha-mpisorona an'i Kristry. Raha vahoaka mpisorona ny vahoaka mandrafitra ny atao hoe Eglizy dia miaina ny maha-mpisorona azy amin'ny alalan'ny vavaka ataony samirery na miaraka isan'andro... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Ny Eglizy dia vahoakan'Andriamanitra, milaza ny fiombonana ara-panahy sy miharihary efa iainany sy tsy maintsy iainany mandra-pahatapitr'izao tontolo izao. Fanekem-pihavanana ny Eglizy satria teraka tamin'ny fanekem-pihavanana vaovao izay naorin'i Kristy tamin'ny rany teo amin'ny hazofijaliana. Ny Eglizy dia Misiônera na Iraka... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco