Nangoraka ny mpiray firenena taminy i Môizy sady nitsangana ho mpiaro an'ireo ; ilay faniriana tsara tao aminy dia nivadika herisetra. Tapitra teo ny faniriana ho manampahefana sy mpiasam-panjakàna ambony. Andriamanitra no niantso na nitady an'i Môizy : ... hitan'ny Tompo fa niolaka nijery izy dia niantso azy Andriamanitra, teo afovoan'ny zava-maniry nilobolobo nanao hoe "izaho no Andriamanitry ny rainao... Katesizy momba an'i Môizy, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Matetika ny olona somary manahirana no ifandraisan'Andriamanitra, tsy mora resy lahatra sady be fanahiana, ary isan'ireny i Môizy. Tamin'ny fotoana niantsoana azy dia olona tsy nahomby tamin'izay nataony ary nandositra i Môizy ary izay no nahatonga azy tany Madiana. Katesizy momba an'i Môizy, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Samy manana ny fotoana ao anatin'ny maloka ifanaovana amin'Andriamanitra, fotoana fitsapana sy fahoriana amin'ny fiainana, ao anaty fahotana na lalan-diso mihitsy aza. Eo indrindra no tian'Andriamanitra ihaonana aminao. Toa manampoka anao izy, satria amin'ny andro tsy ampoizina, amin'ny fotoana ahatsapana fa irery. Ny vavaka dia tsy zavatra hafa fa fanekena ho havaozin'Andriamanitra. Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Hoy ny Raimasina indray andro : nihaona tamin'ny olona iray efa nahazo taona aho, olona tsara sady tena kristiana, fa mpanota teo anatrehan'Andriamanitra ; hoy io olona io hoe hanampy azy Andriamanitra ary tsy mamela azy irery ; feno fanantenana izy ny ho tonga any amparadisa, mety anaty tsy fahamendrehana aho hoy izy fa ho tody any, mino izy fa Andriamanitra dia mamonjy ny very. Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...