Ny zava-mahadomelina dia miteraka fiovana eo amin'ny toe-batana na ny psikôlôjia ny zava-manan'aina mandray azy ; betsaka ny endrika handraisana ny zava-mahadomelina, izy mety tsindrona, fohana, tsakoina, atao an-tsoson-koditra. Misy voka-dratsiny ny zava-mahadomelina isan'izany ny fahasimban'ny taova maro, manimba ny saina sy ny maha-izy ny olona. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

Ny hasin'ny fahanterana : fahasoavana ny tratra antitra, ary fanirian'ny olombelona rehetra izany. Ny olona no omen-danja ka angatahina amin'Andriamanitra ny halavan'ny andro iainany. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

Ampianaro ny taranaka : tsy mety ny mampianatra ny taranaka hamalifaty ; ezaho hatrany ny mampianatra ny taranaka hahay hizara. Isan'ny tombony ho an'ny zokiolona sy ny ray aman-dreny ny fahafahana mizara ny fahaiza-miaina. Izay manoro lalana mahitsy mampita aina. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny Zokiolona , ho an'ny fianakaviana, ho an'ny fiaraha-monina, ho an'ny Eglizy. Mila fanomezam-boninahitra amin'ny fiainana manontolo ny zokiolona, zava-dehibe ho an'ny fiaraha-monina izy ireny. Ny fanabeazana avy amin'ny zokiolona dia zava-dehibe, manamafy izany ilay fahendrena hoe : zaro amin'ny lalana tokony halehany ny zaza fa na efa lehibe aza izy tsy hiala amin'izany. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...