Hita mitombo ny tahan'ny fanalan-jaza raha ny zava-misy amin'izao fotoana izao, tsy eto Madagasikara ihany fa manerana ny tany mihitsy. Hatrany am-pitan-dranomasina, misy mihitsy aza ireo firenena izay tsy dia manao azy ho olana loatra nefa misy koa ireo firenena izay hita manomboka io fihetsika io. Tsy vitsy ireo tanora, izay tafalatsaka amin'ny fanalan-jaza, na ny tokantrano ara-dalana aza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

Ny fianarana mifehy tena dia fahaiza-manao tena ilaina amin'ny fandraisana anjara amin'ny fampivoarana ny tena manokana sy ny fisorohana ny fitondran-tena mampidi-doza ateraky ny zava-mahadomelina. Amporisihina ny tsirairay mba hanao laharam-pahemehana  sy hiady amin'ny hakamoana ka hampiasa ny fotoanany amin'ny fomba mahomby, ireo dia toe-tsaina tokony hovolena hiadiana amin'ny zava-mahadomelina. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

Mila mandray andraikitra ny Fanjakàna amin'ny fametrahana paik'ady mahomby sy fomba hentitra hoenti-miady amin'ny fanondranana an-tsokosoko sy fiparitahan'ireny zava-mahadomelina ireny. Mila mametraka ny lalàna mifehy ny famokarana sy ny famarotana ny zava-mahadomelina ny Fanjakàna. Mila omena loharanon-karena hafa ny mpikirakira zava-mahadomelina mba handaozany ireo vokatra tsy ara-dalàna ireo. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

Ny fianakaviana dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fanafahana ny olona iray amin'ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina. Ilaina ny fahaiza-mihaino malalaka sy mavitrika ary tsy mitsara an'ireo izay tafalatsaka amin'ny zava-mahadomelina. Ny sekoly dia manana anjara amin'ny fitsaboana sy fanohanana ireo tratry ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina, fa indrindra ny fisorohana. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...