Ny fijoronao amin'ny maha-izy anao dia mahasarika ny hafa ary mandrisika azy hanaraka sy hihaino anao. Ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana malagasy iray rehefa manaja sy miaina tsara ny kolontsaina malagasy, satria ao anatin'io kolontsaina eo an-toerana io ihany no afaka mamaka eo amin'ny fiainan'ny tsirairay ny Evanjely. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Ny kolontsaina sy fomba jody no netin'i Jesoa Kristy nampianatra sy nitory ny fanjakan'Andriamanitra, hany ka azon'izay nifanerasera taminy ny tiany hambara. Tsy nisekoseko hoe "izaho zanak'Andriamanitra" i Jesoa fa niaina ny fiainan'ny olombelona. Ilaina ny fameloma-maso ny faritra niaviana sy ny kolontsaina mba ho evanjely velona no sady mamelona. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Araka ny finoantsika dia tena olombelona i Jesoa sady tena Andriamanitra, ka tahaka ny olombelona rehetra dia mila volavolaina sy beazina ny maha olona manontolo : vatana, saina, ary ny fo amam-panahy. Fototry ny maha-olon ny vatana, saina, fanahy koa tsy misy azo atao antsirambina.  Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Nanolotra ny tenany ho fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra i Masina Maria : ""inty aho ankizivavin'ny Tompo, hoy izy...". Ny fanekena ny sitrapon'Andriamanitra dia vokatry ny finoana. Evanjely velona ny fianakaviana satria samy manolo-tena ho fanantanterahana ny sitrapon'Andriamanitra. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...