Ny Batemy : fankatoavana ny Ray sy ny maha olona. Ny Batemy noraisina dia mahatonga ny lahika hanana anjara toerana eo amin'ny Eglizy sy ny fiaraha-monina. Ny Batemy no tandidon'ny fiombonana ao amin'ny samy lahika na dia ao anaty sampana maro mandrafitra ny Eglizy aza, ary mandrisika ny lahika handray anjara amin'ny asam-pamonjena. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Ny lahika dia Kristiana vita Batemy rehetra tsy nandray ny Sakramentan'ny Filaharana ary tsy anatin'ny fikambanan-drelijiozy ankatoavin'ny Eglizy. Manana ny fahamendrehana ny lahika noho izy ao anatin'ny vahoakan'Andriamanitra mitovy zo sy hasina eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Eglizy. Mila mahay miara-miasa amin'ny Mpitondra ny lahika ary manaiky sy manaja ny rafitra. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
Lehibe tokoa ny anjara toeran'ny lahika ao amin'ny Eglizy sy eo amin'izao tontolo izao. Koa tsy maintsy mahay mifandray tsara amin'ny mpitondra izy ireo, indrindra eo amin'ny lafiny fiaraha-miasa. Asa vadidrano ny fanasoavana ny Eglizy ka tsy maintsy hifandrombonan'ny Mpitondra sy ny Kristiana izay entiny. Afaka manambara malalaka ny heviny ny lahika amin'ny fanatsarana ny Eglizy. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
Mandray anjara amin'ny maha Mpaminany sy Vavolombelon'i Kristy ny lahika ka mahazo fanampiana sy fahasoavana hanambara ny Vaovao Mahafaly eo amin'ny mpianakavy sy ny mpiara-monina. Mandray anjara amin'ny fahamendrehana maha Mpanjaka ihany koa ny lahika. Manjakan'ny zava-boahary ny olombelona. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco