Zoma 24 janoary 2020 — Herinandro faharoa mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 13-19 — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo ny rehetra reko tamin'ny Ray.

0 : 00

Efa maro ireo fampianaram-pinoana azaontsika momba ny fiantsoana ireo Apôstôly. Isan'ny zava-dehibe nialoha izany fiantsoana izany ny nitokanan'i Jesoa tany an-tendrombohitra, toerana avo, mangina sy tony ka manampy amin'ny fivavahana. Ny dikan'izany dia hoe: ankino amin'Andriamanitra ny fiainana. Tsy ny zava-dehibe ihany, fa izay rehetra atao, ny fiainana manontolo. Manaraka izany, zava-dehibe ny mitokana, mba maka saina irery, mainka moa ny hoe hivavaka manokana. Aoka tsy hihanona fotsiny amin'izay iombonana, na any an-tokantrano io na any am-piangonana, fa manandrata ny fanahy, mivavaha manokana ho mari-pitokisana an'Andriamanitra.

Rahefa izany, dia "niantso izay tiany hankeo aminy i Jesoa". Ny fiantsoan'Andriamanitra izany dia sitrapon'Andriamanitra, safidin'Andriamanitra. Andriamanitra no manao ny dingana voalohany. Ilay teny hoe "izay tiany" dia midika hoe manam-pahefana tsy toha Izy, masi-mandidy amin'izay ataony ary tsy miankina amin'izay fahamendrehan'izay antsoina. Roa ambin'ny folo no ilainy, famantarana zava-dehibe, dia ny fanorenana Israely vaovao, handavorariana ilay vahoaka voafidy roa ambin'ny folo foko fahiny.

Nantsoiny hiara-mitoetra aminy ireo. Tsy avy hatrany dia asa, fa fiainana miaraka amin'i Jesoa aloha. Ary arakaraka ny hiaraha-mitoetra aminy no hanahafana azy. Fanamasinan-tena aloha no atao hoe fiantsoan'Andriamanitra, satria raha tsy masina, tsy afaka hanamasina. Nirahina amin'izay ireo hitory teny sy nanao zavatra hafa. Laharam-pahamehana ny Tenin'Andriamanitra, satria ny Teny no fanorenana.

Notononina tsirairay ny anaran'ny Apôstôly tao amin'ny Evanjely teo, mba hilazana amintsika fa ny tsirairay amin'ny maha-izy azy no antsoina. Amin'ny anaran'ny tenany koa no mamaly fa tsy mialokaloka ao anatin'ny betsaka. Manam-pikasana ho an'ny tsirariay amintsika Andriamanitra. Miantso Izy isan'andro ary aoka isika hamaly hoe: "Inty aho, iraho aho".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...