Zoma 23 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66

Ary ny ùpiara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalebiazin'ny Tompo ny famindram-pony taminy, dia niara-nifaly tamin'ireo asan'Andriamanitra eo aminao, izay haneoana an'i Jesoa sy ny asam-pamonjeny, dia manako amin'ireo manodidina anao tsy hay afenina, dia mahafaly ny olona rehetra fa tsy ho anao irery ihany no nanaovan'Andriamanitra izany, fa ambarany ny tenany amin'ny maha Andriamanitra Azy amin'ireo manodidina anao sy amin'ireo mifaningotra aina aminao, dia ireo havanao, ho famonjena azy ireo koa. Aoka ho fantatrao fa tsy mitovy amin'ny olona ny fanaonao amin'i Jesoa, fa naseho teto tokoa izany, teo amin'ny nanomezana anarana ny zaza. Fa anarana nampitondraina ny anjely no natao anaran'ny zaza, dia ny hoe Joany. Ny asan'i Jesoa aseho eo aminao dia avy aminy avokoa fa ianao natao hanehoana izany ihany, ho fiderana ny voninahiny.

Andriamanitra no maniraka, iraka hanamboatra lalana ho Azy, tanteraka amin'ny nahatongavan'i Joany Baptista izany (Mt. 11, 10)

Ny Evanjely mitantara ny fankalazana ny nahaterahan'i Joany Baptista dia entina hitantarana ny fanomezana anarana azy. Ny anarana dia tsy vitan'ny hoe manambara ny mampiavaka ny olona iray ihany fa ny ifandraisany koa amin'ny tontolo any ivelany, ka manambara ny programam-pianana irin'ny manome anarana. Joany Baptista : anarana tian'Andriamanitra iantsoana antsika rehetra, Joany Fanomezana. Ny fiainana no fanomezana voalohany nomen'Andraimanitra antsika, ary tiany mba hiainantsika. Ny fanomezan'Andriamanitra no mahasambatra antsika. Ny fahalalana fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ny aina no mampisokatra ny lelantsika hidera azy. Izay rehetra nataon'Andriamanitra eo am-pelatanantsika dia ampy hahasambatra antsika ka hanombohantsika ny fiderana azy dieny ankehitriny sy ho mandrakizay.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...