Talata 31 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)

Amin’ny alalan’ireto fanasitranana roa ireto no anehoan’i Masindahy Marka amintsika ny maha “Mpamonjy” an’i Jesoa. Tsy mijanona ho fahasitrana ara-batana fotsiny anefa, fa miampita amin’ny ara-panahy, satria ny finoana ananan’ireo manatona sy mila vonjy aminy, no ambaran’i Jesoa hoe: “nahavonjy azy ireo”.

I Jaira eto no maneho ny finoany ary matoky fa rahefa hametrahan’i Jesoa ny tanany ny zanany vavy dia ho sitrana. Ary izany finoana efa ao aminy izany no mbola hamafisin’i Jesoa ilazany hoe: “Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany”, ary dia sitrana soa aman-tsara razazavavy. Toy izany koa ity vehivavy nitsi-drà nandritra ny taona maro, nino sy natoky fa na dia “ny fitafian’i Jesoa ihany aza voakasikasiny dia ho sitrana izy”. Ka dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny.

Ireo tantara roa ireo no entina hilazana amintsika fa ny maha Mpamonjy an’i Jesoa Kristy dia tsy mijanona fotsiny amin’ny ara-nofo, fa mifototra indrindra amin’ny ara-panahy, dia ny havelona antsika ao amin’Andriamanitra. Mpamonjy hanafaka antsika amin’ireo sakana maro tsy ahafahantsika manatona an’Andriamanitra Izy.

Enga anie mba ho ny tena hahavelona antsika ara-panahy ao amin’Andriamanitra, no hanentana antsika amin’ireny fanehoam-pinoana ataontsika ireny, mba hahazoantsika ny famonjena entin’i Kristy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...