Alatsinainy 13 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 11-13)

Ry kristianina havana ! Raha manaraka hatrany ny Evanjely aroso ho antsika teto isika indrindra tamin’iny herinandro lasa iny, dia tsy nitsahatra nanao fahagagana i Jesoa, manaporofo sy manamafy ny fampianarana ataony dia ny hiainantsika ny fitiavana tahaka ny Ray, araka ny nambara tamintsika teto omaly. Tao ny fanasitranana isan-karazany, teo ny fampitomboana ny mofo, izay nanala hanoanana ireo vahoaka nanaraka azy sy nihaino ny fampianarany. Vao tamin’ny sabotsy lasa teo ity farany ity no nataony araka ny fitantaran’i Masindahy Marka amintsika. Tamin’ireny sehatra rehetra ireny, dia teo mandrakariva ny Farisianina ka ny mahagaga dia arakaraka ny hanaovan’i Jesoa fahagagana, no vao mainka mampihena ny finoan’izy ireo azy, fa mampitombo kosa ny fankahalany azy. Eto dia mifanditra sy miady hevitra amin’i Jesoa indray izy ireo, mangataka famantarana. Matoa ny olona iray mangataka famantarana, dia tsy mino na tsy matoky izy raha ny marimarina kokoa. Izany no miseho amin’ireto Farisianina ireto eto ka nampalahelo an’i Jesoa izany hamafin’ny fony izany. Tsy tena ny hangataka fanazavana marina, ka hampazava ny finoan’izy ireo anefa no tanjony miady hevitra amin’i Jesoa, fa ny hamandrika azy mba hiampangana azy foana. Anisan’ny maha kely finoana azy ireo, ary tsy eken’ny sainy mihitsy no maha Andriamanitra an’i Jesoa, ary izay no maha maika azy ireo sy tiany hofantarina lalina hoe, avy aiza marina ity olona mitovy aminy ihany ity. Eto i Masindahy Marka dia mampiasa ny voambolana “maka fanahy”, toy ny voalaza any amin’ny fakana fanahy an’i Jesoa tany an’efitra, ary tsy nijanona tany fa mitohy foana izany na dia Andriamanitra aza izy. Tahaka izany ny ezaka ataon’ny demony amintsika, izay miezaka tsy an-kijanona maka fanahy sy handrendrika antsika, ka hampianaran’i Jesoa antsika hiady mafy ary hiady hatramin’ny farany amin’ny fakam-panahy.

Io famantarana avy any an-danitra takian’ireo Farisianina amin’i Jesoa io, dia manamafy ilay famantarana notakian’ny demony taminy tamin’ny fakam-panahy tany an’efitra. Entina ilazana hoe, iza marina ianao. Masindahy Paoly moa mampianatra antsika hoe “na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza i Jesoa dia tsy nihevitra ny tenany ho ambony tahaka an’Andriamanitra fa nietry tena mitovy amintsika mba ahalalany ny fahalemena mpahazo antsika” (Filip 2, 5-6). Hamafisiny hatrany ny fanoherana efa nataony tamin’ny demony tany an’efitra ka hanoherany ireto mangataka famantarana aminy ireto. Maro tokoa ny fakam-panahy mety miseho eo amin’ny fiainana ary tsy mipetrapetra-poana ny demony fa milofo andro aman’alina mandrendrika antsika, koa aoka isika hahery fo hatrany amin’ireo hitarihan’i Jesoa antsika hiady amin’izy ireny, tsy hahavery antsika ary hamafiso hatrany ny finoana fa tsy ho mafy fo tahaka ireto mangataka famantarana ireto.

Jesoa Tompo ô ! Fahalemena mpahazo anay olombelona ny tsy mino maty raha tsy avy mandevina, ary dia izahay zandrinao mihitsy aza no tratran’io fakam-panahy io indraindray, koa ampio izahay hazoto handalina ny Tenin’Andriamanitra hanampy anay hahalala Anao marina ka hanaovanay toy ny nataonao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...