Alakamisy 16 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 27-33)

Ry kristianina havana ! Mbola ao anatin’ny toko fahavalo amin’ny Evanjelin’i Masindahy Marka hatrany isika. Mitantara ny mpanoratra ny zavatra niseho tany amin’ny vohitra manodidina ny Sezarean’i Filipo. I Masindahy Matio koa dia mitantara ity seho ity ao amin’ny toko faha 16, 13-20 fa ny mampisongadina an’i Matio amin’io fitantarana io dia ny nanorenan’i Jesoa ny Eglizy tamin’i Piera sy ny nananganany azy ho filoha ary ny nanomezany azy ny fahefana ao amin’ny Eglizy. Manoloana ny fisalasalana maro avy amin’ny olona sy ny hadonton’ny fon’ireto mpianany ireto, araka ny filazan’i Jesoa dia tsapan’i Jesoa fa tena mbola tsy mahafantatra Azy marina ny ankamaroan’ny olona maro, eny fa na ireo miaraka Aminy isan’andro aza, ka nahatonga azy nanontany ireto mpianany ireto ny fahalalan’ny olona azy sy ny fahalalan’ny mpianany azy ihany koa. Teto dia nampanaraka lojika hatrany ny mpanoratra satria miezaka i Jesoa mampianatra sy manampy porofo amin’ny alalan’ireo fahagagana maro, ataony mba hahanan’izy ireo finoana nefa tsy mety mahazo ary tsy mino izy ireo. Nanalavitra ireo galileanina mafo fo tsy mety mino manko i Jesoa fa lasa nanatona ny tsy mpino kosa ka ny finoan’ireto mpianany aloha no nofantariny. Raha ireo atao namana tokoa manko no vao mainka tsy mino na tsy mahalala dia hampananosarotra ny iraka ataony. Ho antsika dia tsarovy fa tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana maha kristianina antsika ny finoana ary tsy sasatra ny Eglizy mitaona antsika hino sy hampitombo izany satria tsy hahefa na inona na inona isika manoloana ireo iraka manandrify antsika indrindra amin’izao fotoana hiantsoan’ny Eglizy antsika hiombona amin’izany raha tsy eo ny finoana.

Manoloana ny fahatsapan’ny olona maro an’i Jesoa hoe iza marina moa Izy dia i Piera no misolo tena ireo roa ambin’ny folo nanaraka azy satria izy efa nahatsikaritra zavatra maro tamin’ny niarahany tamin’i Jesoa. Ao amin’ny fiandohan’ny Evanjeliny ao amin’ny Toko 1, 1 i Marka dia efa mamaritra an’i Jesoa Zanak’Andriamanitra, ary io valinteny io no mbola averin’ny Mpanoratra eto fa nentin’i Piera namaly an’i Jesoa raha te ahalala ny fahalalan’ireto mpianany Azy izy. Tsy mijanona fotsiny amin’ny maha Mpaminany mantsy ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa araka ny tsikaritr’i Piera fa izy mihitsy no Zanak’Andriamanitra ; izy no Mesia ilay voahosotra “Kristy” hoy ny valin-tenin’i Piera.

Na dia nahatsapa izany aza anefa i Piera ka nilaza ny marina, tsy midika fa feno ny fahalalany an’i Jesoa. Tapany ihany ny fahalalantsika hoy i Masindahy Paoly fa any amin’ny lalany tsy izy no heverin’izy ireo hahazoana fahombiazana. Ny fiarahantsika amin’i Jesoa ka itondrantsika ny anarana maha kristianina dia tsy maintsy hiaretantsika sedra maro tahaka ny nataon’i Kristy, eny mety hatramin’ny fahafatesana aza, fa tombony ho antsika kosa izany satria tsy eto amin’ity fiainana mandalo ity no ahoantsika ny tena famonjena fa aorian’ny fahafatesana sy ny fitsanganana ho velona.

Jesoa Tompo ô ! Efa nisolo tena anay i Piera nanambara Anao ary io anaranao io no hisaloranay ka hivelomanay isan’andro ny Teninao. Aniraho ny Fanahy Masina izahay hanazava misimisy kokoa hatrany ny finoanay ka ahafahanay miara-miasa ao amin’ny Eglizy hampiroborobo ny Fanjakanao dieny ety an-tany. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...