5 jona 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Andriamanitra mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 1-12)

Miteny amin’ny fanoharana amin’ireto lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalana ary ny loholona i Jesoa : “nisy lehilahy anakaray namboly voaloboka, ka namefy azy manodidina ary nandavaka tany mba hanaovana famiazana, nanorina tilikambo”. Mazava eto ny fanoharana fa ilay lehilahy mpamboly dia Andriamanitra, ary ny voaloboka dia ny vahoaka Israely, isika rehetra ankehitriny ihany koa. Ka Andrimanitra dia tsy nitsahatra nikolokolo, namefy, niaro, nandavaka lalina mba hahazahoana zanany tsara afindra. Ny tanjon’Andriamanitra anefa dia mba hahazahoana voaloboka tsara, voany tsara.

Henontsika teo fa rehefa avy nikolokolo voalobony Andriamanitra dia nampanofa azy tamin’ny mpamboly voaloboka, izany hoe olona efa mahay fikarakarana voaloboka no nanankinana azy. Ary rehefa tonga ny fotoana dia naniraka olona iray mba handray ny vokatry ny tanim-boaloboka. Ka izay rehetra nirahany dia nokapohina sy novonoina ary nampodina maina fotsiny. Niafarany moa dia ny zanany lahitokana izay mpandova no nalefany, ary novonoina tanteraka. Ireto Farizianina no tiany Jesoa ho tenina amin’ity fanoharana ity. Ireto Farizianina ireto dia matetika manameloka an’i Jesoa ary mihevitena ho matanjaka. Diso hevitra anefa izy ireo, tsy nahazo tsara foto-pampianarin’i Jesoa izay tonga hamonjy ny olona rehetra. I Jesoa izay nirahin’ny Rainy dia nanolotra ny ainy am-pitiavana. Ka ireto Farisianina ireto dia tsy nahay nandray izany fanomezana faratampony izany. Fa nanary ny fahasoavana noho ny hamafisan’ny fony, nefa ny fanirian’Andriamanitra ho famonjena olombelona dia tsy maintsy tanterka ao amin’i Kristy zanany. Ka io teniny i Jesoa manao hoe: “ny vato natsipiny mpanori-trano no indro tonga vato fehizoro”.

Isika tsirairay avy ihany koa dia manary fahasoavana tahaka ireto Farisianina ireto rehefa manda tsy hibebaka, rehefa tsy te hiala amin’ny fahazaran-dratsintsika. Ka noho izany dia mety mbola handroaka Azy sy hamono Azy isika. Aoka ary isika mba hanokatra ny fo amam-panahintsika mba hibanjina ilay zava-mahagaga nataony ho antsika: sorona tokana ho famonjena antsika rehetra maimaimpoana. Avy amin’Andriamanitra izany ka zava-mahagaga eo imasontsika, hoy i Jesoa. Izany no hanasan’i Jesoa antsika androany ka meteza àry isika hanokatra ny fontsika hibanjina ny fitiavan’Andriamanitra antsika, fa izany tokoa no dingana voalohany hizorantsika mankany amin’ny famonjena.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...