Fitiavan'Andriamanitra sy fanehoany ny tenany sy ny asany ny fahariana ; mitory ny hatsarany tsy misy fetra. Ny fahariana dia famoronana niainga tamin'ny tsy misy, miampy fametrahana lamina ao amin'ireo ; tsy hoe rehefa nisy dia ampy fa nomena ilay lamina : hitomboan'ny taranaka, hifamelona. Miavaka ny fahariana ny olombelona fikasan'Andriamanitra manokana mihitsy, novolavolainy sy nomeny ny fofon'ainy. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
20 jona 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)
Tsentsina ny lalan-drano, tafakatra hatrany an-trano ny rano maloto noho ny fandotoana hataontsika ihany ; fako eran'ny tanàna sy ny lalana, harona sy tavoahangy plastika amin'ny tatatra miampy kazana fako hafa oty ny arotava. Aretina sy fahafatesana no vokatr'ireny rehetra ireny ; isan'ny fandotoana ihany koa ny fisian'ny setroka fiara sy ny fandoroana fako etsy sy ero satria samy mandoto rivotra ireny. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
19 jona 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-42)
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco