• Hetsika maro samihafa no nentina nanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana, androany 5 jona. Isan'ny nandray anjara tamin'izany ny Oratorio Don Bosco Ivato... • Mbola ambany ny tahan'ny vokatra ronono jifain'ny Malagasy, raha miohatra amin'ny atsy Afrika sy ny any Eoropa. Isan'ny nivoitra izany androany, nandritra ny fanamarihana ofisialy ny andro eran-tany ho an'ny ronono, teny amin'ny zaridainan'Antaninarenina... • Mandroso ny asa fananganana ny “Parc éolien” ao Antsiranana, hampitomboana ny famokarana herinaratra ao an-toerana...
• Sekoly maro ao anatin'ny Kaominina Talatamaty sy Ivato no miara-mandray anjara amin'ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana, ety amin'ny Oratorio Don Bosco Ivato, amin'ity 5 jona ity... • Vonona hiady amin'ny endrika kolikoly rehetra manimba ny tontolon'ny fandraharahana eto Madagasikara, ny fitondrana Fanavaozana, hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana... • Hiatrika lalao sakana hahafahana miroso any amin'ny lalao ampahefa-dalana ao anatin'ny fiadina ny amboara eran-tany eo amin'ny taranja Basketball lalaovin'olona telo, ny Ankoay Lehilahy anio. Hihaona amin'i Lafrantsa...
Raha mijery ny tontolo iainantsika eto Madagasikara, indrindra ny ety andrenivohitra dia hita sy tsapa fa miana ao anaty loto ny mponina. Antony maro no mety mahatonga izany fa ny ho resahatsika anio dia mikasika ny “sachet plastique” sy ny fiantraikany amin'ny tontolo iainana sy ny fahasalaman'ny mponina, ny zava-misy momba ny fampiharana ny lalàna misy, ary ireo safidy maharitra sy mora ampiasaina hisolo ny plastika amin'ny fiainana.
• Milaza ny hijoro hatrany ny Solombavam-bahoaka Rajerison Antoine na dia tafapetraka eny amin'ny Antenimieram-pirenena aza ny fangatahan'ny Minisiteran'ny Fitsarana, hanalana ny tombon-jo ananany amin'ny maha solombavam-bahoaka azy... • Andrasana ny fanazavan'ny FFKM momba ireo tetiandro samihafa arahina amin'ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana Randrianirina Michaël... • Nifarana ny atrikasa fandravonana sady famaranana ny fandaharanasa Varuna SD sy Varuna LF. Isan'ny mpiara-miasa tamin'izany ny RDB...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco