17 jona 2023 — Sabotsy, Ny Fo Madion'i Maria Virjiny — Sambatra tokoa ianao, ry Maria Virjiny fa nitahiry ny Tenin’Andriamanitra ianao sy nandinika azy tao am-po — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 41-51)
Sarobidy ny voahary satria niainga avy tamin'ireo ny tao-zavatra sy ny fivoarana rehetra. Mifaningotra aina daholo ny zavatra rehetra satria ohatra raha trongisina ny tany dia simba ny fiveloman'ny olona sy ny biby ary ny zava-maniry ; raha maloto ny rano sy ny rivotra dia mijaly sy marary ny olona sy ny biby ary ny zava-maniry ; raha ringana ny biby sy ny zava-maniry tsy ampy sakafo sy fanafody ny olombelona. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
16 jona 2023 — Zoma, Ny Fo Masin'i Jesoa — Fankalazana manetriketrika — Taona A — Ento ny jiogako, hoy ny Tompo ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-30)
Ny tontolo iainana dia izay misy rehetra ka mifandray amin'ny fiainan'ny olombelona, na ny hita maso na tsy hita, na ny manana aina na tsia. Tontolo iainana : ny tany, ny rano, ny zava-maniry, ny biby amam-borona isan-karazany, ny rivotra, ny masoandro, ny volana ny kintana, ny habakabaka ary ny olombelona ; izany hoe izay rehetra misy ety ambonin'ny tany sy ny any ambany any koa. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco