Maro isan-karazany ireo tombon-tsoa azo avy amin'ny fampiasana ny "facebook" raha tena ampiasaina amin'ny maha fitaovana azy satria mampiditra fomba vaovao hifandraisana sy hahazoana vaovao izy ity. Anisan'ny tanjaky ny "facebook" ny fahafahana mampitombo ny fifandraisana. Mila fitandremana ny fampiasana ny "facebook" hoy ny Papa Fransoa : tsy afaka manolo ny tena zava-misy ny virtoaly. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason. 

18 aprily 2023 — Talata, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 7-15)

Maro tokoa ny tambazotra sosialy ampiasaina amin'izao vanin'andro misy antsika izao, na ny any amin'ny firenen-kafa na isika eto Madagasikara. Ohatra vitsy amin'izany ireto tanisaina amintsika ireto : Instagram, Twitter, WhatsApp, Skype, Telegram, Signal, TripAdvisor, MySpace, Netlog, LinkedIn, TikTok, SnapChat, Twich sns. iray amin'izy ireo ny Facebook izay betsaka mampiasa eto Madagasikara. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason. 

17 aprily 2023 — Alatsinainy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 1-8)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...