Ireto ny fahavalon'ny fifampiresahana ao an-tokantrano : fitohanana, tahotra, fiahiahiana, fankahalana, toe-tsaina manafinafina, fanamelohantena mialohan'ny fotoana, fahasahiana. Ny fahasahiana dia manimba ny fifampiresahana ao an-tokantrano... Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
Zoma 7 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 15-26
06 ôktôbra — Fianakaviana andriana no nipoiran'i Bruno. Teraka tao Cologne teo anelanelan'ny taona 1030 sy 1035 izy io. Nanomboka nianatra tao amin'ny Kôlejy Saint-Cunibert izy tao amin'ny tanana nahaterahany, avy eo nandalina ny filôzôfia sy teôlôjia tany Reims sy tany Paris.
Ireto avy ny hatsaram-panahy ilaina amin'ny tsirairay ao amin'ny fianakaviana mba hahafahana mifampiresaka : fahatsorana, mahitsy fo, tsara sitrapo, tia, mahazo ny hafa, mahay mihaino, mahay mangina, mahay mihaiky fa diso ary mahay mamela ny hadisoan'ny hafa. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco