Alatsinainy 12 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 1-10
11 septambra — Zafikelin’i Romaric i Adelphe, niaina tamin’ny taonjato fahafito izy. Voatendry ho lehiben’ny trano tao Saint-Mont rehefa maty Habendi Castrum tamin’ny 03 desambra 653. Nandritra ny fito ambin’ny folo taona no nanaovany izany andraikitra izany. Naniry mafy ny hitokana any Luxeuil i Adelphe.
Noharian'Andriamanitra ho lahy sy vavy ny olona ka afaka mamorona ny antsoina hoe fianakaviana rehefa voatso-dranon'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fifankatiavan'ny mpivady izay atambatry ny fanambadiana ary afaka manome taranaka dia ny zanaka izany. Sarobidy sady tsara eo imason'Andriamanitra ny vatantsika olombelona satria tempolin'ny Fanahy Masina. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Alahady 11 septambra 2022 — Alahady Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-32
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco