Alarobia 27 aprily 2022 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 16-21
Ny fiangonana dia misehatra amin'ny lafiny serasera, amin'ny alalan'ny gazety, boky, sy ny onjam-peo, ary fitaovana ireny hanohizana ny fanabeazana. Ny fiangonana dia miezaka mampiasa ireo fitaovana misy mba hampielezana ny finoana sy ho fampandrosoana ny firenena ary ny maha-olona. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Talata 26 aprily 2022 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 7b-15
Ny fiangonana dia manabe ny olona mba hikajy ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fanentanana hamboly hazo sy hanena ny fanapariahana loto amin'ny rivotra. Ny fiangonana dia miahy ny vahoaka nankinina taminy, amin'ny alalan'ireo tolo-draharaha toy ny fitsaboana, ny fitaizana ireo zaza kamboty sy ny sembana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco