Alatsinainy 8 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 1-6
Ny Pretra sy ny Relijiozy, ny Zoky am-panahy : ireny no solontenan'ny eglizy eo anivon'ny tanora ka manampy azy amin'ny safidim-piainana tiany ho tratra, ary azo lazaina fa manamafy ny fahasahiany hiroso amin'ny dingana lavitra, arofanina manitsy ny dia. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Alahady 7 novambra 2021 — Alahady faharoa amby telopolo mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 38-44
Hoy ny Pape : rehefa nanao "eny" fa hanao ny sitrapon'Andriamanitra dia manana hery handresena ny tahotra eo am-panorenana ny ho avy. Ry tanora malala, aleoko mahita anareo mavitribitrika fa tsy kanosa sy votsavotsa. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco