Sabotsy 23 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 1-9

Ambony noho ny zavatra rehetra ary masina ny ain’ny zaza ao an-kibo, na nirina na tsy fidiny, na nampoizina na tsia satria avy amin’Andriamanitra ny aina, hoy ny evekan’i Madagasikara, manoloana ny volavolan-dalana momba ny fampitsaharana ny vohoka.

Ny fanaovana ny asa fanasoavana dia ilaina lanjalanjaina satria nomen'Andriamanitra ny fahafahana handalina isika. Ny fahamaroan'ny fikambanana dia ahafahana maneho fahasamihafana sy fifamenoana. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Zoma 22 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 54-59

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...