Vokatry ny fifampizarana eo amin'ny mpihaino dia mamohafoha ao amin'ny mpihaino ireo trangam-piainana nandalovany, ny faharenesana ny tantaram-piainana ataon'ilay miteny ka manasa ny mpihaino hanova ny fomba fijeriny sy ny fihetsiny. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Talata 31 aogositra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 31-37
Manampy hanome heviny ny fiainana ny fitantarana azy amin'ny hafa. Afaka manova ny fiheverany teo aloha mahakasika ny fiainany ny mpitantara ka manome heviny sy manome lanja ireo zava-mitranga teo amin'ny fiainana toy ny mala lesona. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Alatsinainy 30 aogositra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 16-30
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco