Sabotsy 4 septambra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 1-5
Natao hitandro ny hasin'ny fiaraha-monina ny kristianina, satria izy ireo no fanasin'ny tany. Misy fitsipika mifehy ny fiainana kristianina mba hahafahana manamasin-tena.
Fandalinam-pinoana momba ny finoana kristianina, miaraka amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Arsidiosezy Antananarivo.
Singa roa no feno rehefa misy ny fifampizarana andram-piaiana dia eo ny mpitantara sy ny mpihainoa. Miteraka zava-tsoa maro ho an'ny tsirairay ny fifampizarana. Mila fantarina anefa iza avy ireo hizarana andram-piainana. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Zoma 3 septambra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 33-39
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco