Tsy misy intsony ny hafanan’ny fifankatiavana, ny fifampihainoana ary ny fifampizaràna ao an-tokantrano. Vitsy dia vitsy ny tokatrano manam-pinoana ka maneho eto ivelany izany hoe tokatrano kristianina izany. Katesizy momba ny fianakaviana, miaraka amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Zoma 23 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 52-59
Rehefa tsy hiainana moa ny finoana dia kristianina sarisary ny fianakaviana iray. Ary rehefa toy izany dia manao fitaovana ny fivavahana ho fiarovan-tena sy ampiasaina amin’ny ara-politika. Ny tena ratsy dia lasa fieren-jiolahy mihitsy ny Fiangonana, izany hoe mody mivavaka mba hanafenana ny asa ratsy rehetra natao. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Alakamisy 22 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 44-51
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco